Tanterahina ny takarivan’ny asabotsy 21 janoary 2023, ny “Nuit de la lecture”, amin’ity taona 2023 ity. Isan’ny mankalaza izany koa ny eto Madagasikara, amin’ny alalan’ny Alliance Française. Ny amin’ity taona ity, ny any Toamasina no mankalaza izany amin’ny alalan’ny hetsika tanterahina ao amin’ny Alliance Française Toamasina, manomboka amin’ny 4 ora […]
Other News
Hira sy vakodrazana malagasy : mitrandraka ny any an-doharano ny tarika Diary
Ny miezaka mamelo-maso, mitahiry ary mampahafantatra ireo haren’ny mozika nentim-paharazana misy manerana ny Nosy amin’ireo taranaka no antom-pisian’ny tarika Diary, izay niorina ny taona 2020. Mitrandraka hatrany ifotony mihitsy ry zareo amin’izany. “Tononkira mirakitra anatra, misy vontoatiny no jarianay mba ho fanabeazana feno sahaza ny isam-baravarana. Ny trangam-piainana andavanandro (fitiavana, […]
Zavakanto “Marqueterie”: hampiranty eto amintsika i Guy Pradel
Hotanterahina ny 07 febroary 2023, hatramin’ny 25 febroary 2023, ny varotra fampirantiana hataon’i Guy Pradel, mpanakanto manana fahaizana manokana momba ny rakitakela-manify na “Marquéterie”. Ao amin’ny Institut Français de Madagascar na IFM Analakely no hanatanterahana ny hetsika. Lohahevitra amin’izany fampirantiana izany ny “Sacramental”, lohahevitra mampiseho ny mahakasika ny fanantenana sy […]
Mitohy ny fankalazana ny 50 taona: “Tsy handimby ny Mahaleo izahay”, hoy ireo taranaka
Mitohy ny “Revy Mahaleo”. Taorian’ny fitetezam-pirenena, hanohy ny fankalazana ny faha-50 taona eto an-tanindrazana ny tarika Mahaleo sy ny taranaka… Voavaly ny kihana sy ny fanontaniana maro mipetraka! Nihaona tamin’ny mpanao gazety ny tarika Mahaleo, omaly, nitantara ny tontosa tamin’ny fanamarihana ny faha-50 taona, sy niresaka ihany koa ny fandaharam-potoana […]
Fitantanana Andrimpanjakana : tsy mihevitra ho filohan’ny «Sénat» Ratsirahonana
Nifampiarahaba noho ny taona vaovao ny antoko Avi, teny Ivato, omaly. Niatrika izany na efa nisotro ronono aza, ny mpanorina, Ratsirahonana Norbert Lala. Nitondra valin-kafatra manoloana ny resabe ny tenany. “Tsy ho filohan’ny Antenimierandoholona izany aho ary tsy mieritreritra ny hanao na inona na inona intsony. Tsy hanaiky hotendrena na […]






