Other News

Fandraharahana eto an-toerana : mirona any amin’ny « e-commerce » ny karazam-barotra

Fandraharahana no be mpisafidy amin’ny asa atao amin’izao fotoana. Saingy mila fantarina mialoha ny sehatra hidirana. Raha tamin’ny taon-dasa, ireto no sehatra hita hisafidianan’ny maro mampidi-bola haingana. Satria mivoatra hatrany ny teknolojia, betsaka ny mirona any amin’ny «e-commer­ce» ha­nolorana karazam-barotra maro. Ireo kojakoja fampiasa andavanandro, fitafiana, kiraro, hatramin’ny fiarakodia misy […]

Novidiana taty Madagasikara : trondro 3,5 t tratra tatsy Mayotte

Namoaka fampahalalam-baovao ny prefektioran’i Mayotte, ny 17 janoary teo. Nambarany fa nisy hetsika nataon’ny tompon’andraikitra mikasika ny jono sy ny fari-dranomasina any an-toerana, nahitana sampandraharaha maromaro, ny zoma 13 janoary 2023 lasa teo. Nisy sambo nitondra hazandrano, manana laharana any Mayotte, nosavain’ny vondrona mpanara-maso ny morontsiraka (ULAM). Tsikaritra fa tsy […]

Famatsiam-bola avy amin’ny Bad : hatsaraina ny fifehezana ny rano

Natao sonia, ny talata 17 janoary teo, ny fifanarahana famatsiam-bola roa sosona iarahana amin’ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad). Mifantoka amin’ny hifehezana ny rano sy ny loharano izany, hanatsarana ny fotodrafitrasa samihafa mifandraika aminy. Famatsiam-bola fanampiny ny voalohany, ao anatin’ny Fandaharana­sa famatsiam-bola ho an’ny ambana amin’ny loza voajanahary aty […]

Nivory maika ireo filoham-piangonana: hiteny sy haka fanapahan-kevitra ny FFKM

Nivory, maika, omaly ireo filoham-piangonana efatra mirahalahy eo anivon’ny FFKM, niaraka amin’ny birao foibe. Tsy nisy nipika ny dinika teo amin’izy ireo. Na izany aza, nambaran’ny loharanom-baovao fa hanana ny hambarany manoloana ny raharaham-pirenena ny fiangonana. Fotoana hanatanterahana ny “Herinandron’ny firaisam-pinoana”, efa fanao isan-taona. Hatao eny amin’ny fiangonana Anglikanina, Am­bohimanoro […]

Fihaonana tamin’ny filoha Rajoelina Andry : hanamafy ny fiaraha-miasa ny Mgr Thomasz Grysa

Nanolotra ny taratasy ma­nendry azy hiasa eto amintsika tamin’ny filoham-pirenena Rajoelina Andry, ny “Nonce Apostolique”, ny Mgr Tomasz Grysa. Notanterahina, omaly, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha izany. Nambaran’ity solontenan’ny fiketrahana Masina ity fa vonona hatrany ny hanamafy sy hanatsara ny fiaraha-miasa amin’ny firenena malagasy ny any Vatikana. “Hifanome ta­nana amin’ny fitondram-panjakana […]