Other News

VAOVAO TAMBATRA

Miisa 14 550 ireo nisitraka mivantana ny fandaharanasa Afafi-Nord nandritra ny 96 volana nisiany. Tohodrano 22 no vita ka nahafahana namatsy rano tanimbary hatrany amin’ny 9 823 ha, mandavantaona. Fahombiazana tanteraka ny tetikasa sady nanohana ny fampandrosoana ny tokantrano teny anivon’ireo faritra telo niasany, entina hanohanana ny famokarana sy ny fiharian’ny tantsaha. […]

Fandrindrana ny vokatra: Vidin’ny orinasa SPM 1 500Ar ny kilaon’ny vary akotry

Nifanakalo hevitra mivantana tamin’ny tantsaha ny fanjakana tamin’ny alalan’ny mi­nisiteran’ny Varotra sy ny fanjifana manoloana ny fikorontanan’ny vidim-bary. Ta­paka taorian’ny dinika fa hovidin’ny orinasa State Pro­curement of Madagascar (SPM) ara-drariny ny vary akotry eny amin’ny tantsaha. Hetsika izay natomboka teny Imerintsiatosika, ny alarobia teo. Araka izany, ho alain’ny orinasa amin’ny […]

Fikarohana siantifika : Nankasitrahan’ny AJE ny Pr Lily-Arison René sy ny Pr Jonah Ratsimbazafy

Ankoatra ny fanaovan-gazety mahazatra, manana adidy amin’ny maha olom-pirenena ihany koa ny Fikambanan’ny mpanao gazety mikirakira ny tontolo iainana. Ao anatin’izany ny fankasitrahany ny Malagasy mpikaroka. Notoloran’ny Fikambanan’ ny mpanao gazety mikirakira ny tontolo iainana (AJE), mari-pankasitrahana, omaly, ny profesora Lily-Arison René de Roland, mpahay ny vorona (ornithologue), sy ny […]

FANTINA sy FINTINA

Nametraka fehezam-boninkazo ho fahatsiarovana ireo miaramila Rosianina lavo tamin’ny ady ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël, amin’izao fivahinianany any amin’ity firenena ity izao. Teo koa ny fitsidihany ny mozea mitahiry ireo fitaovam-piadiana sy ny fanamian’ny miaramila tamin’ireo ady lehibe natrehin’ny firenena rosianina. Hentitra ny toromariky ny Praiminisitra, Rajaonarivelo Herintsalama. Tsy […]