VAOVAO TAMBATRA

Miisa 14 550 ireo nisitraka mivantana ny fandaharanasa Afafi-Nord nandritra ny 96 volana nisiany. Tohodrano 22 no vita ka nahafahana namatsy rano tanimbary hatrany amin’ny 9 823 ha, mandavantaona. Fahombiazana tanteraka ny tetikasa sady nanohana ny fampandrosoana ny tokantrano teny anivon’ireo faritra telo niasany, entina hanohanana ny famokarana sy ny fiharian’ny tantsaha.
Mitaky ny hanohanan’ny fanjakana ny sehatra tsy miankina ireto farany mba hahafahana manarina haingana ny toekarena ao amin’ny faritra Atsinanana, taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Gezani. Tokony hojerena ny fomba hanarenana ny fidiram-bolan’ireo orinasa madinika sy salantsalany. Zava-dehibe ny fandriampahalemana sy ny fisorohana ny fanararaotana indrindra amin’ny vidin’entana manoloana ny fahasimban’ny fotodrafitrasa maro.
Manomboka mikorina eo anelanelan’ny fakan’ny honko indray ny rano ao Angodorofo, kaominina Beramanja, faritra Diana, taorian’ny fanarenana nataon’ny mponina any an-toerana. Manodidina ny 5 ha ny faritra honko efa manomboka nahazo ny fifandanjany ara-tontolo iainana. Nosokafana avokoa ireo lakandrano voasakana tamin’ny fampiasana fitaovana nentim-paharazana, toy ny famoronana lakandrano madinika mba hahafahan’ny rano mivezivezy araka ny fiakaran’ny ranomasina sy ny fidinany.

Partager sur: