Nifanakalo hevitra mivantana tamin’ny tantsaha ny fanjakana tamin’ny alalan’ny minisiteran’ny Varotra sy ny fanjifana manoloana ny fikorontanan’ny vidim-bary. Tapaka taorian’ny dinika fa hovidin’ny orinasa State Procurement of Madagascar (SPM) ara-drariny ny vary akotry eny amin’ny tantsaha. Hetsika izay natomboka teny Imerintsiatosika, ny alarobia teo. Araka izany, ho alain’ny orinasa amin’ny vidiny 1 500Ar ny vary akotry any amin’ireo tantsaha, raha 1 700Ar kosa izany ho an’ireo mpanangom-bokatra manana vary eny amin’ny GGV. «Tanjona ny hitondram-bahaolana maharitra mahakasika ny tsantsaha, izy ireo izay tokony hotsinjovina hatrany satria maro an’isa tokoa», hoy ny minisitra Andriamadison Haingotiana. Nasongadiny fa mampifandray minisitera samihafa ny sehatry ny famokarana ary efa misy komity manara-maso akaiky ny zava-misy eny anivon’ireo andrimpanjakana ireo.
Tsiahivina fa anisan’ny nandrasan’ny solombavambahoaka Rakotondrabesa Pierre Aimé, voafidy tao Arivonimamo, sy ireo olom-boafidy tao amin’ny faritra manodidina ny dinika natao hanatsarana ny seha-piharian’ny tantsaha sy ny famokarana ataony. Nandray anjara tamin’izany koa ny rafitra mpampindram-bola Secam sy ireo mpisehatra ao amin’ny faritra Itasy sy Bongolava.
Henintsoa




