Jeux de hasard
Other News
Tenisy ambonin’ny latabatra- Mada 2022 : Andeha hiofana any Chine i Takko sy Océane
I Lefitriniaina Henry Rinauld na Takko, mpilalao tenisy ambonin’ny latabatra (TAL) lehilahy, an’ny Jovena Analamanga sy i Rakotondrazaka Océane, mpilalao TAL vehivavyn’ ny CJSI Toamasina no nahazo ny tapakila misidina, hiofana any Chine. Tsiahivina fa izy ireo no tompondakan’i Madagasikara, taona 2022, amin’ ity taranja ity ho an’ny sokajy 1ère […]
Tae-kwon-do WT – «Mada 2023» : Nanjakan’ny ligin’Analamanga ny fifaninanana
Nisongadina ny mpikatroka avy amin’ny ligin’Analamanga, teo amin’ny fifaninanam-pirenena, taranja Tae-kwon-do WT. Saika noraofin’izy ireo avokoa ny medaly volamena, teo amin’ny ady “kyorugi” izay nifanandrinana. Voalohany ny ligin’ Analamanga, teo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja Tae-kwon-do WT. Fifaninanana, notanterahina tany amin’ny kianja mitafon’i Soavita Toamasina, ny alakamisy ka […]
Jirama : Kojakojaina ny jiro sy ny rano
Nanomboka, omaly alahady, ny ekipan’ny Jirama no nanolo ireo fitaovana bakoly « isolateurs », mitazona ny taribin-jiro, mampita ny herinaratra avy eny Ambohimanambola mankany Antsirabe ao anatin’ny tambajotra iraisan’Antananarivo (RIA). Hanatsara ny tambajotra mpitsinjara herinaratra izany, hampihenana ny fahatapatapahan-jiro amin’iny zotra iny. Ankoatra izany, mandeha koa ny fanadiovana ny rano ao amin’ny […]
Fambolen-kazo 2023 : velaran-tany 100 ha hatao anaty andro iray
Hatao ny 19 janoary ho avy izao any Seranandavitra, kaominina Ilaka-Est, distrika Vatomandry, ny taona fambolen-kazo 2023 eto Madagasikara. Lohahevitra raisina ny hoe «Izay mamboly hazo mamelon’ aina, izay mamboly hazo mamelona an’i Madagasikara». Koa, tanjona ny hambolen-kazo ao anatin’ny velaran-tany 100 ha. Hampiasana fitaovana manaraka ny teknolojia «drône» mandritra […]






