Hita faty nitsitra tamin’ny tany ny tovolahy iray, mpivarotra hani-masaka, omaly maraina. Sempotry ny afon-tsaribao tao an-tsenany, eny Ampasapito, izy. Miditra amin’ny 6 ora sy sasany maraina ny olona hanolo io lehilahy namoy ny ainy io, omaly. Mbola nihidy be anefa ny tsena tamin’izy tonga teny an-toerana. Nandodona avy ety […]
Other News
Ny diarin’i Anne Frank : Natolotry ny ViMa ny tranombokim-pirenena
Voadika amin’ny teny malagasy ilay boky malaza maneran-tany “Le journal d’Anne Frank”. “Ny diarin’i Anne Frank” ihany no lohateniny, izay nadikan’i Michèle Rakotoson sy Riambola Mitia. Vita printy ary efa mivoaka amin’ny fomba ofisialy ihany koa ity boky vokatry ny voan-kevitr’i Zouzar Bouka, filohan’ny Vision Madagascar (ViMa) ity. Natolotra ny […]
Tontolon‘ny hira: Hanimba hira sy mpitendry ny teknolojia
Fototra iray mampijoro ny hira ny fisian’ny mpitendry (mpitsoka, mpikapoka…) zavamaneno. Misedra olana maro, anefa, izy ireny… Zavamaneno iray mahatafavoaka feo maro… Hadinodino fa misy ny mpitendry. Havanana amin’ny zavamaneno tendreny na tsofiny na kapohany izy ireo. Miaina miaraka amin’ireo hira kaloin’ny mpihira, sns. Olana lehibe sedrain’ny mpitendry zavamaneno amin’izao […]
SOMBIM-BAOVAO
Araka ny fikarohana natao omaly, tao anaty tambajotran-tserasera, manatanteraka fitsidihana eto Madagasikara ny iraky ny Fifa : i Raul Chipenda sy Etianne Sockeng. Efa nanomboka ny 4 febroary teo izany ary tsy hifarana raha tsy amin’ny 9 febroary ho avy izao. Nanatrika izany ny filohan’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF), Randriamanampisoa […]
Olympika amin’ny andro ririnina: Vonona i Mia Clerc sy i Mathieu Gravier
Hanomboka anio, any Milan-Cortina, Italie, ny lalao Olympika fanao amin’ny andro ririnina. 92 ireo firenena, avy amin’ny kaontinanta 5, hiatrika izany ho an’ity andiany faha-25 ity. Anisan’ireo manana solontena amin’izany i Madagasikara, amin’ny alalan’i Mialitiana Clerc (Mia Clerc), 25 taona, sy i Mathieu Gravier, 23 taona. Vonona izy mianadahy hiaro […]






