Hita faty nitsitra tamin’ny tany ny tovolahy iray, mpivarotra hani-masaka, omaly maraina. Sempotry ny afon-tsaribao tao an-tsenany, eny Ampasapito, izy.
Miditra amin’ny 6 ora sy sasany maraina ny olona hanolo io lehilahy namoy ny ainy io, omaly. Mbola nihidy be anefa ny tsena tamin’izy tonga teny an-toerana. Nandodona avy ety ivelany fa tsy nisy olona namoha. Nampilazaina ny tomponandraikitra teny an-toerana, ary nopitsohina ny varavaram-by, tamin’ny 8 ora sy sasany maraina. Efa mitsirara amin’ny tany sady efa tsy nisy aina intsony no hitan’ny rehetra tao anaty tsena. Nahitana rangotra teo amin’ny tanany ary may teo amin’ny tongotry ny maty, raha ny fahitan’ny fianakaviana ny razana. « Nahitana afon-tsaribao mbola nirehitra sy nandrahoana sakafo tao anaty tsena », hoy i Mahafetra Herizo, havan’ny maty. Mbola nivarotra teo amin’io tsena io, ilay lehilahy maty io, omaly maraina tamin’ny 1 ora, raha ny fanazavan’ny olona teny amin’ny manodidina. Tonga teny an-toerana nanao ny fanadihadiana ny polisy avy amin’ny Brigade criminelle (BC) Anosy. Tonga naka ny razana sy nanatitra izany teny amin’ny tranom-patin’ny HJRA kosa ny avy amin’ny BMH. « Nampandrenesina mahakasika ny tranga ny mpampiasa io tovolahy namoy ny ainy io, saingy tsy mbola nigadona teny an-toerana sy teny amin’ ny tranom-patin’ny HJRA Ampefiloha », hoy ihany izy.
Efa maty tao koa ny rahalahiny
Nanambara hatrany ny fianakavian’ny maty fa tsy misy hivoahana sy hidiran’ny rivotra io tsena fivarotana nahafatesan’olona io. Nohamifisin’izy ireo hatrany, fa efa maty tahaka izao, tao anatin’io tsena io ihany koa ny rahalahin’ilay maty, tamin’ny 6 oktobra 2025 lasa teo. Voamarina tamin’ny valin’ny autopsie fa maty sempotry ny entona saribao izy io tamin’izany. Miantso ny tomponandraikitra ambony izy ireo mba hijery akaiky sy handray fepetra mahakasika io tsena io, mba hisorohana ny fahafatesan’olona tahaka izao. Hoentina hihazo an’Analavory, tanindrazany, ny razana rehefa vita ny fizahana atao aminy ao amin’ny tranom-patin’ny HJRA.
Mino




