Hanomboka anio, any Milan-Cortina, Italie, ny lalao Olympika fanao amin’ny andro ririnina. 92 ireo firenena, avy amin’ny kaontinanta 5, hiatrika izany ho an’ity andiany faha-25 ity. Anisan’ireo manana solontena amin’izany i Madagasikara, amin’ny alalan’i Mialitiana Clerc (Mia Clerc), 25 taona, sy i Mathieu Gravier, 23 taona. Vonona izy mianadahy hiaro ny voninahi-pirenena amin’ity. Hifaninana eo amin’ny ski alpin: ny “slalom géant” sy ny “slalom”, i Mia Clerc ary hiatrika ny ski alpin amin’ny “slalom géant” i Mathieu. Raha ny fandaharam-potoana, amin’ny sabotsy 14 febroary vao hiditra an-tsehatra ireto Malagasy atleta ireto. Hisantatra izany i Mathieu, hiatrika ny dingana voalohany sy faharoa amin’ny “slalom géant”. Ny alahady kosa vao miatrika ny anjarany i Mia Clerc, amin’io taranja io ihany. Tsy maintsy hanao ireo dingana roa ireo ihany koa ny tovovavy. Hitohy ny alarobia 18 febroary izany ka hifaninana eo amin’ny “slalom” indray i Mia Clerc. Hanao fitsapana roa izy amin’izany. Marihina fa fandraisana anjara fanintelony ity ho an’i Mialitiana. Fanindroany kosa ny an’i Mathieu. Raha tsiahivina, laharana faha-41 teo amin’ny “slalom géant” ary faha-43 teo amin’ny “slalom” i Mia Clerc, ny taona 2022, tany Pékin. Faha-41 i Mathieu.
Tompondaka




