Other News

TSELATRA

Naiditra vonjimaika am-ponja eny Antanimora, omaly, ny roa lahy nangalatra moto teny Soavina, ny herinandro teo, taorian’ny niakaran’izy ireo fampanoavana. Voasambotry ny polisy teny Mahavoky Besarety, ny 01 febroary 2026 lasa teo ny iray. Tratra tetsy Ankadifotsy ny ampitson’io kosa ny iray hafa. Mbola tratra teny aminy ilay moto halatra. […]

Kaominina Talatamaty: Olona dimy naiditra am-ponja, tsy ampy taona ny roa

“Nandray anjara mivantana tamin’ny halatra sy vaky trano ny 28 janoary teo ireo olona dimy notanana vonjimaika any am-ponja taorian’ny fampanoavana”, hoy ny fanazavan’ny kaomandin’ny tobim-paritry ny zandarimaria Talatamaty, omaly. Naharay fitarainana avy amin’ny olon-tsotra ny mpitandro filaminana miasa ao an-toerana fa misy roa lahy tratra nisokitra vavahadin’olona. Notanana ireo […]

Anosibe sy Analakely: Mpangarom-paosy dimy voasambotra

Lehilahy dimy voasambotry ny polisim-pirenena nanao fanamiana sivily, omaly atoandro. Tratra teo am-panaovana asa ratsy sy nangarom-paosy ireto farany. Mpandeha an-tongotra sy miandry fiara fitateram-bahoaka etsy Anosibe sy Analakely ireo lasibatra. Tra-tehaka tetsy Anosibe ny efatra, raha tratra nangalatra miharo herisetra tetsy Analakely kosa ny iray hafa, omaly tamin’ny 12 […]

Mitam-basy sy misaron-tava : Jiolahy miiasa 11 mampihorohoro tanàna

Hifampitadiavana ao amin’ny distrikan’Ambohidratrimo ireo jiolahy 11 nandroba sy nampihorohoro teny Ambohimanjaka-Mahitsy, afakomaly alina. Namaky loha sy nandroba raim-pianakaviana izy ireo. Vaky loha noho ny daroka nandritra ny fanafihana nataon’ny jiolahy miisa 11 ny raim-pianakaviana iray ao amin’ny kaominina Ambohimanjaka-Mahisy. Mbola voaroba ihany koa ny volany an-tapitrisa, ny alarobia alina […]