“Nandray anjara mivantana tamin’ny halatra sy vaky trano ny 28 janoary teo ireo olona dimy notanana vonjimaika any am-ponja taorian’ny fampanoavana”, hoy ny fanazavan’ny kaomandin’ny tobim-paritry ny zandarimaria Talatamaty, omaly. Naharay fitarainana avy amin’ny olon-tsotra ny mpitandro filaminana miasa ao an-toerana fa misy roa lahy tratra nisokitra vavahadin’olona. Notanana ireo jiolahy ireo ka nitoroka ny namany. Tafakatra fito ireo voasaringotra. “Tsy tao an-toerana ny tompon-trano ka nanararaotra nitatitra ny entana tamin’ny tokantrano efa lasibatra ireo mpanao ratsy”, hoy ny fanazavan’ny zandary. Nosavaina ny trano nahatrarana ireo olona miisa dimy. Tratra tao avokoa ny ankamaroan’ireo entana rehetra efa nangalarin’ireo mpanao ratsy. Vilany am-polony, fahitalavitra, hatramin’ny zavamaneno sy solosaina. Niakatra fampanoavana ny raharaha. «Nahazo fahafahana ireo olona roa tamin’izy fito, taorian’ny fampanoavana. Nilaza ho tsy naharaka na inona na inona momba ny teti-dratsin’ireo olona dimy izay nivahiny tao aminy izy ireo”, hoy ny fanazavan’ny mpitandro filaminana. Niaraka notanana vonjimaika ireo dimy voasaringotra ary miandry ny fotoam-pitsarana. “16 taona sy 17 taona ny roa amin’ireo voatazona”, hoy ny lehiben’ny tobim-paritry ny zandary Talatamaty. Tsy mponina avy eny an-toerana fa monina eny Anosizato ireo naiditra am-ponja ireo, araka ny angom-baovao.
Tsiferana R.




