Lehilahy dimy voasambotry ny polisim-pirenena nanao fanamiana sivily, omaly atoandro. Tratra teo am-panaovana asa ratsy sy nangarom-paosy ireto farany. Mpandeha an-tongotra sy miandry fiara fitateram-bahoaka etsy Anosibe sy Analakely ireo lasibatra. Tra-tehaka tetsy Anosibe ny efatra, raha tratra nangalatra miharo herisetra tetsy Analakely kosa ny iray hafa, omaly tamin’ny 12 ora atoandro. Azon’ny fokonolona ny iray tamin’izy ireo ka niharan’ny vono sy daroka. Naratra mafy teo amin’ny lohany vokatry ny vono nahazo azy izy. Tonga teny an-toerana ny polisy avy amin’ny Unité d’intervention rapide (UIR), taorian’ny antso, ka nitondra ilay olon-dratsy teny amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha. Nahazo ny fitsaboana sahazy azy ny tenany, ary nentina teny amin’ny Sûreté urbaine hanohizana ny fanadihadiana. Nentina eny amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahadimy kosa ny efatra hafa. Hatolotra ny fampanoavana ny raharaha aorian’ny famotorana ataon’ny polisy. Tafiditra ao anatin’ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana ny hetsika.
Mino




