Other News

Judo-Grand Slam de Paris : Judokas malagasy 5 hifaninana

Hotanterahina ny 7 sy 8 febroary izao, any Accor Arena, ao Paris, ny fifaninanana “Grand Slam de Paris”, taranja Judo. Tsy diso anjara amin’izany i Madagasikara. 7 miana­dahy no hisolo tena ny Malagasy hiaro ny voninahi-pirenena amin’izany, ahitana an-dRasoanaivo Razafy Aina Laura, Andri­ambololona Zo Hajanirina, izay avy eto an-toerana. Hanampy […]

Fifidianana ho filoha – FMA : Ligy telo tsy nahazo taratasy fahazoana mifidy

Mitranga sahady ny olana, mialoha ny fifidianana izay ho filoha hitantana ny Federasionina malagasin’ny atletisma (FMA). Misy ireo filohana ligim-paritra tsy mbola nahazo taratasy fiantsoana handatsa-bato. Manoloana izany, manangam-peo ireo avy amin’ny seksionina Antananarivo Renivohitra sy Ambohidratrimo mitaky ny hahazoan’ny filohan’ny ligin’Analamanga, handatsa-bato satria voafidy ara-dalàna. Telo andro mialoha ny […]

VAOVAO TAMBATRA

Vita ny tetezana Andriambavirano, amin’ny lalam-pirenena faha-4, PK 502. Mahazaka lanja 44 taonina ity tetezana ity, araka ny fenitra eto amintsika sy toy ny amin’ny lalam-pirenena rehetra. Natao ny 4 febroary teo ny andrana teknika, manome antoka ny filaminana sy ny fahamarinan-toeran’ny fifamoivoizana ho an’ny mpampiasa lalana rehetra. Hentitra ny […]

Ravinala Airports: Nafindra ny tanànan’i Pont Valiha

Tafiditra tao anatin’ny faritry ny seranam-piaramanidina, any Fascène, Nosy Be, ny tanànan’i Pont Valiha. Voatery tsy maintsy nafindra toerana ity tanàna ity, araka ny fifanarahana famindram-pitanta­nana teo amin’ny fanjakana malagasy sy ny orinasa Ravi­nala Airports, araka ny fenitry ny Orinasa ara-bola iraisam-pirenena (SFI). Nanomboka tamin’ny taona 2020 ny famindrana ireo […]

Fim 2026 : Sehatra ifanakalozan’­ ny mpandraharaha

Ambohi-pihaonan’ny orinasa sy ny mpandraharaha marolafy ny Tsenabe iraisam-pirenena eto Madagasikara (Fim), hetsika karakarain’ny MadaVision. Vovonana ahafahan’ireo orinasa mampiseho ny maha izy azy sy hampahafantarany ny tolotra sy ny vokatra ataon’ny Fim. Omaly, nifanakalo hevitra tetsy Antanimena, ireo mpandray anjara sy ny mpikarakara ny hetsika. Fotoana iray nitondrany ny hetahetany sy […]