Other News

Banky Foiben’i Madagasikara : Voatazona ho 12% ny tahan’ny zanabola fototra

Mitazona ny tahan’ny zanabola fototra (taux directeur) ho 12% ny Banky foiben’i Madagasikara, araka ny tapaky ny Kaomity misahana ny politika ara-bola. Fepetra izay heverina ho mifanaraka amin’ny tanjona fitoniana eo amin’ny vidim-piainana sy hanamafisana ny toekarena. Nivoitra tao anatin’ny fam­­pahafantarana na­taon’ ny BFM, afakomaly, fa nihena ny vidim-piainana eto […]

FANTINA sy FINTINA

Nilaza ny antony nitondrany basy ny filoham-panjakana, Kly Randrianirina Michaël, tamin’ny fidinana ifotony nataony. Nambarany, tamin’izany, fa nandeha tany amin’ny faritra mena izy ireo, toy ny tany Soa­lala sy Besalampy. « Iray ihany ny angidimby azo nen­tina noho ny fitsitsiana, mpiambina iray ihany no zaka ka tsy maintsy nitondra basy », hoy […]

Vondrona afrikanina : Tsy afaka ny sazy raha tsy vita ny fifidianana

Nandray ny ambasadaoro izay iraka manokana eto Ma­dagasikara, i Mohamed Idriss Farah, ny filohan’ny Vaomieran’ny Vondrona afrikanina (UA), i Mahmoud Ali Youssouf, omaly, araka ny fampitam-baovaon’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny, eny Anosy. Nitondra fanazavana ny amin’ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena eto Madagasikara, amin’izao, tamin’ny filohan’ny Vaomie­ran’ny UA ny ambasadaoro. Nanantitrantitra ny fahavononan’ny tomponandraiki-panjakana eto Madagasikara hizotra […]

Efa miditra ny vola? 

  Nanaitra ny filazan’ny Banky foiben’i Madagasikara fa mbola manana volabe ampy ampiasaina anatin’ny enim-bolana isika. Mainka mahafinaritra ny mamaky ny tatitra fa 70 % amin’ny Malagasy no tsy mampiasa afa-tsy ravim­bola 20 000 Ariary. Efa metimety izany ny  resaka toekarena hatrany an-tokantrano. Tsy manimba saina intsony ilay fanambaran’ny minisitra […]

Vondrona Irmar: Miandrandra fandaminana politika

Maromaro ireo fitsidihana sy fihaonana nataon’ny iraky ny sehatra iraisam-pirenena, ny herinandro teo, ho amin’ny fikaroham-bahaolana. Naneho ny heviny momba izany ny avy amin’ny Irmar. Naneho ny heviny ny filoha lefitry ny mpanohitra eny amin’ny Antenimie­rampirenena, ny depiote Mila­vonjy Philobert, avy amin’ny vondrona Irmar. Nambarany fa hisy fiantraikany sy dikany […]