Ambohi-pihaonan’ny orinasa sy ny mpandraharaha marolafy ny Tsenabe iraisam-pirenena eto Madagasikara (Fim), hetsika karakarain’ny MadaVision. Vovonana ahafahan’ireo orinasa mampiseho ny maha izy azy sy hampahafantarany ny tolotra sy ny vokatra ataon’ny Fim. Omaly, nifanakalo hevitra tetsy Antanimena, ireo mpandray anjara sy ny mpikarakara ny hetsika. Fotoana iray nitondrany ny hetahetany sy ny fanomanana manontolo ny andiany faha-27, ary andiany faharoa itantanan’ny MadaVision azy. « Sehatra hitondrana ireo zava-baovao amin’ny fandraharahana mba hipaka mivantana
amin’ny sehatry ny toekarena ny Fim », hoy ny tomponandraikitry ny serasera ao amin’ny MadaVision, Andrianasolo Hery. Nasongadiny manokana fa fotoana hifanakalozan’ireo samy mpandraharaha ny efatr’andro hanaovana ny Tsenabe. Fotoana hihaonana ihany koa amin’ny fanjakana. Ankilany, hahazo sehatra manokana ny tanora amin’ny alalan’ny Speed Recruting, handraisana CV. Hisy ihany koa ny fihaoanana mivantana amin’ireo orinasa samihafa sy ny tolotr’asa ataony.
Henintsoa




