Mbola miteraka resabe ny tetivintana. Samy manana ny ambarany avokoa ireo rehetra mitonona sy milaza fa mahay mitety vintana. Tsy mitovy amin’ny fanisana andro na vahiny mantsy ny tetivintana malagasy. Io no hamantarana ny mombamomba ny zaza teraka iray. Amin’izao vanim-potoana izao, be loatra ny fahasamihafana. Indraindray aza, mifanohitra tanteraka […]
Other News
Tanora Masina Itaosy : Hanomboka ny taom-pitoriana an-kira
Raikitra fa hisy ny «Santatra Fiderana 2026». Hotanterahina rahampitso ny taom-pitoriana 2026 ho an’ny Tanora Masina Itaosy. Ao amin’ny fiangonana FLM Ambohimasina Itaosy ihany no hanatanterahina izany. Hanomboka amin’ny 2 ora sy sasany ny fandaharam-potoana. Nanome toky ity antoko mpihira ity fa « hafana avy hatrany ity santatra fitoriana an-kira » ity. […]
Mariboninahitry ny kanto : Nankasitrahana ny Sorakanto
Randy Donny sy Fy nahazo ny “Commandeur”. Faly Ran, Holy Danielle ary Zo ny Aina notolorana ny “Officier” ary i Joachin Mickaël sy Damy Govina nomena ny “Chevalier”. Mariboninahitry ny kanto, ny Teny ary ny Kolontsaina ireo, izay nomen’ny fitondram-panjakana ireo mpanao gazety mikirakira ny vaovaon’ny kolontsaina, mivondrona ao amin’ny […]
Ligy Analamanga- Basikety : Vonona hiara-miasa amin’ny mpanao gazety
Manome lanja ny lafiny serasera ny ligin’Analamanga, taranja basikety, tarihan-dRatovojanahary Haingo Mampionona. Nisy, araka izany, ny dinika sy fiarahana nitady izay hahafahana mampandroso ny ligy, amin’ny alalan’ny haino vaky jery. Nifanankalo hevitra ny andaniny sy ankilany ary nisy ny hevitra maro nivoitra. Ny hampiakarana ny fahafantaran’ny olona ny hetsika karakarain’ny […]
Rugby – XXL Top 12: Donan’ny samy kartie ny an’ny TFMA sy TFA
Hiverina hiakatra kianja indray ireo ekipa 12, hiady ny ho tompondakam-pirenena taranja rugby XXL Top 12. Lalao telo no voalahatra ka adin’ny samy kartie ny roa raha kartie sy boaty ny iray. Hangotraka avokoa ny fifandonana ka anisan’ny hisongadina ny fihaonan’ny TFA Anatihazo sy ny TFMA Ankasina (Boaikely manohitra). Hitohy […]






