Other News

Firaisamonina Mahitsy Fijery : « Takinay ny fanovana hatrany ifotony…

Nifampiarahaba noho ny taona vaovao tetsy Analakely ny firaisamonim-pirenena Ma­hi­sy Fijery, omaly. Namba­ran’ ny filoha mpanorina, Ravololo­manana Lalatiana, tamin’izany, ny hevitr’izy ireo manoloana ny raharaham-pirenena. Nametra-panontaniana avy hatrany ny tenany. «Fa­novana sa fanavaozana no hatao? Mitaky izahay ny fanovana hatreny ifotony. Hiady mafy ho amin’ny fametrahana izany izahay», hoy izy. […]

Manomboka sahady  

Somary sadaikatra ihany hanao ny fifampizarana mahakasika ny fanaovana politika, ankehitriny. Mbola tsy nierina akory ny taona dia efa miseho sahady ny adin’ny samy goavana. Mahavariana ny don-tandroka amin’ny endriny samihafa. Baikoin’ny tombontsoan’ny tsirairay ka manadino ny tolona natao teny an-kianja, ho an’ny taninjanaka. Asa! Efa voaongana tokoa ve ny […]

Ady amin’ny kolikoly : Natomboka ny fanatanterahana ny drafi-pirenena

Manomboka amin’ny fomba ofisialy hatry ny omaly, ny fanatanterahana ny paikadim-pirenena amin’ny ady amin’ny kolikoly 2025-2030. Nisy ny fivoriana mahakasika izany teny Mahazoarivo. Natomboka tamin’ny fomba ofisialy teny amin’ ny Lapam-panjakana, Mahazoarivo, omaly, ny fanatanterahana ny paikadim-pirenena amin’ny ady amin’ny kolikoly 2025-2030. Nisanta­ra­na izany ny fivoriana voalohany na­taon’ny komity mpitantana. Teo […]

TSELATRA

Handalo amin’ny distrika 38 anatin’ny faritra valo ny rivodoza Fytia, araka ny tombana voaray omaly. Heverina fa hahatratra 175 493 ny olona traboina (avy amin’ny tokantrano 40 812). Hahatratra 41 784 ireo trano dibo-drano, 6 168 ny trano sy ny foto-rafitrasa samba. 1 580 ny efitrano fianarana simba amin’ny ampahany, 176 ny […]

Taxi-be 141 tapaka hisatra : Ramatoa iray namoy ny ainy, efatra naratra mafy

Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina indray tetsy Andravoahangy, omaly maraina, tokony ho ta­min’ny 4 ora latsaka fahefany. Niseho teo amin’ny lalana Ha­gamainty ny loza. Fiara mpitatitr’olona, zotra 141 iray, tapaka hisatra. Avy any Ambato­mainty ary hihazo ny Rond point Hagamainty io fiara io. Niala ny arabe izy ka nifatratra sy nandona […]