Mitetina 45,4 miliara Ar ny famatsiam-bola nomen’ny Vondrona eoropeanina (UE) ho an’ny fandaharanasa Padeir, nandritra ny dimy taona. Tao anatin’izay, miisa 170 ireo orinasa niofana momba ny fanondranana raha matihanina 74 nanatsara ny fahaiza-manaony. Mpisehatra 644 nandalina momba ny fenitra sy ny kalitao, laboratoara telo nahazo fitaovana ary iray nahazo […]
Other News
Village des SAE : Manamafy ny fandraharahan’ny tanora
Tanterahina etsy amin’ny Cité des Cultures Antaninarenina ny andiany faharoa amin’ny Village des structures d’accompagnement à l’entrepreneuriat (SAE). Hetsika lehibe ho an’ny tontolon’ny fandraharahana eto Madagasikara, karakarain’ny tambajotra Madagascar SAE (MaSAE) tao anatin’ny tetikasa IncuBoost, vatsian’ny Vondrona eoropeanina, tanterahin’ny Onudi sy ny UNCDF ary tohanan’ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy […]
Tongoloina : Hadihadiana ny antony nahasimba ny tohodrano
Nisy fahasimbana vokatry ny orambe ny tohodrano Tongoloina eny Ampahitrosy Atsimondrano, ny 25 janoary teo. Hanamarina ny asa nananganana ny tohodrano eny Ampahitrosy Atsimondrano ny Antokondraharaha mpandrindra ny tsenambaro-panjakana (ARMP). Voalaza fa tsy hisy ny famindram-po amin’ny fanaovana kitoatoa ny asa. Araka ny antontan-kevitra niomerika ananan’ny ARMP, mitentina 1,650 miliara […]
Fanaingana toekarena-Fianarantsoa : Omena lanja ny fandraharahana ara-pamokarana
Manan-danja any amin’ireo faritra ao anatin’ny faritanin’i Fianarantsoa ny fambolena sy ny fiompiana. Hampiroboroboana ireo sehatr’ireo, entina hanaingana indray ny toekarena. Natao ny 22 sy 23 janoary teo, ny Dinika ho fanaingana ny toekarena tany Fianarantsoa, ho an’ny faritra Amoron’i Mania, Ihorombe, Atsimo Atsinanana, Vatovavy Fitovinany ary Matsiatra Ambony. Napetraky […]
FANTINA sy FINTINA
Vonona hanohana ny fikaonandoham-pirenena ny Vondrona afrikanina (UA), araka ny nambaran’ny lehiben’ny iraka, Mohamed Idriss Farah. Noraisin’ny Praiminisitra, Rajaonarivelo Herintsalama, teny Mahazoarivo izy ireo, omaly. Niaiky ny roa tonta fa ilaina ny fitoniana eto amin’ny firenena. Hanampy amin’ny fifidianana koa ny UA. Nivoaka amin’ny fahanginany ny mpanorina ny antoko Fy-M, […]






