Other News

Village des SAE: Tantsoroka ho an’ny fandraharahana sy tetikasan’ny tanora

Rohy mampifandray ny mpandraharaha sy ireo mpiara-miombon’antoka ny rafitra mpanohana sy mpanome tantsoroka ny fandraharahana ho an’ny fampandrosoana ny toekarena eto Madagasikara. Miantoka ny fampiroboroboana ny harinkarena ny fanohanana ny mpandraharaha, hanamafi­sana ny toekarena sy hampirisihina ny tanora hamorona sy hitondra tetikasa ho an’ny fampivoarana ny firenena sy ny velon-tenany. […]

FANTINA sy FINTINA

Iriana ny hahavitan’ny fihaonambem-pirenena sy ny fifidianana Lalàmpanorenana ary ny fanavaozana manontolo ny lisi-pifidianana, araka ny nambaran’ ny filoham-panjakana, Randrianirina Michaël, nandritra ny fandraisany ireo iraky ny Sadc, omaly, teny Iavoloha. Nanteriny fa filoham-panjakana, araka ny fanapahan’ny HCC, ny tenany. Efa am-perinasa amin’ny fakan-kevitra ireo iraky ny Sadc. Anisan’ny efa […]

Mediatiora : “Ny fananan-tany sy ny fitsarana no mampikaikaika vahoaka”

“Ny antontan-taratasy maro an’isa indrindra azonay dia ny momba ny fananan-tany. Manaraka, ny amin’ny fitsa­rana. Ireo anankiroa ireo no anisan’ny mampikaikaika ny vahoaka malagasy ary vaindohan-draharahan’ny asa ataonay”. Izay ny fanazavan’ ny Mediatiora na ny mpiahy ara-drariny sy mpiaro ny va­hoaka, ny Pr Andrianai­votse­heno Ravaka, teny Anosy, omaly, taorian’ny fihaonany […]

Fihavaozana ho an’ny rehetra

  Anisan’ny mahoraka indray amin’izao fotoana ny fifan­drohitana politika. Tonga vahiny rahateo ka tsy afa-miala amin’ny fanangonan-kevitra. Misy ny mitazona ny teny nomeny, misy ny efa mivadika sahady amin’ny mpiara-nitolona. Tsy mahagaga rahateo izany fa efa samy ana­tin’ny kajikajin’ny fitadiavan-tseza sy fikatsahana tombontsoa avokoa. Ny an’ny sasany aza efa tonga […]

Kolonely Randrianirina Michaël : “Tsy misy ifandraisany amin’ny 666 ny tetikasa biometrika”

Natomboka omaly ny tetikasa famantarana biometrika ny olom-pirenena, feno 18 taona. Nisantatra izany tao amin’ ny kaominina Tanjombato, nialohavan’ny teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha. Tsy misy ifandraisany amin’ny isa 666 izany hoy ny filoham-panjakana. “Fantatray fa misy ahi­ahy sy resabe miparitaka, indrindra momba ny laharana sy famantarana tokana. Ny sasany aza […]