Other News

Sehatra miroborobo: Harena an-kibon’ny tany ny 49% amin’ny fanondranana any ivelany

Seha-pihariana miroborobo ny harena an-kibon’ny tany. Naverina ny fanomezana fahazoan-dalana ho an’ny mpitrandraka. Mbola mihantona kosa ny misehatra amin’ny volamena. Namoaka ny tatitra ho an’ ny taom-piasana 2023 ny rafitra EITI Madaga­sikara, omaly, teny amin’ny MBC Ivato. Tatitra hisian’ny mangarahara amin’ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany vaventy. Voa­laza ao ny hetra […]

TSELATRA

Lehilahy 50 taona hita faty tetsy amin’ny arabe akaikin’ny mpivarotra voninkazo, ampitan’ny hopitaly HJRA, omaly maraina. «Efa narary andro vitsivitsy lasa izy io, ary nanomboka nanary aina ny alina ary izao maty izao », hoy ny vadiny. Mpatory an-dalana izy ireo. Jiolahy miisa roa voasambotry ny polisy tany Anketa Toliara, ny […]

Fanaovana taratasy hosoka: Teratany vahiny tra-tehaka tetsy Ilanivato

Tra-tehaky ny polisim-pirenena tetsy Ilanivato, ny alarobia 28 janoary 2026 lasa teo, ny lehilahy iray, teratany vahiny, voarohirohy tamin’ny resaka halatra sy fanaovana taratasy hosoka. Nahazo fitarainana maro avy amin’ny olon-tsotra ny polisy miasa ao amin’ny PPA3 Ilanivato. Tsy niandry ela fa nidina ifotony nanao ny fanaraha-maso izy ireo, taorian’izay. Vokany, […]

Vokatry ny ora-nikija: Zaza telo maty nirodanan’ny trano

Tra-doza vokatry ny rotsakorana diso tafahoatra ny fianakaviana iray tao Ambohimarina, Andramasina. Telo mianadahy maty nianjeran’ny trano, telo hafa avotra soa aman-tsara, ny 27 janoary lasa teo. Ankizy telo mianadahy (14 sy 9 ary 4 taona) niara-maty nirodanan’ ny trano biriky misy rihana iray tany Tsibeomby, fokontany Ambohimarina, distrikan’­An­dra­masina, ny […]