Tanora miisa 15 voasambotry ny polisim-pirenena avy ao amin’ny Unité d’intervention rapide (UIR), tao Tanamakoa, ny talata 27 janoary 2026 lasa teo. Anisan’ireo andian-jatovo mpanakorontana ny filaminam-bahoaka ao Toamasina izy ireo. Eo ny fanaovana ady eny an-dalambe, fangalarana amin’ny endriny maro samihafa ary ny fitabatabana amin’ny alina. Efa maro ny […]
Other News
GOGUETTE ALLIANCE 92 ( 28 01 2026 )
Fanabeazana sy fampianarana : Mbola misy diso fandray ny « fanagasiana »
Taorian’ny taona 1972 nanaovan’ny mpianatra fihetsehana ho fanoherana ny fanjakazakana mivantana sy ankolaka nataon’ny Frantsay teo amin’ny tontolon’ny fanabeazana sy fampianarana, nipoitra tsikelikely ny « fanagasiana ». Taona 2026, mbola misy diso fandray ihany ny tena raiketin’io teny io. Vohizina mafy indray ny fandikan-teny. Tafiditra ao anatin’izany rehefa mety ho voambolana vahiny. […]
Fitantanana harembakoka: Hamafisina ny fahaiza-manaon’ireo mpiasa
Mila fanavaozana hatrany ny fitantanana sy fikajiana ireo harembakoka. Anatin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ny iraisam-pirenena ny fitaleavana misahana ny harembakoka eto Madagasikara. Nandray ireo frantsay manam-pahaizana momba ny harembakoka ny tale misahana ny harembakoka, Lahiniriko Denis Alexandre, teny amin’ny Lapan’Andafiavaratra, omaly. Nitarika ny delegasionina i Jean Luc Martinez, ambasadaoro manokana […]
Vokatra biolojika: Malalaka ny seha-pamokarana
Hotanterahina ny 10 hatramin’ny 13 febroary, any Nuremberg-Alemaina, ny varotra fampirantiana iraisam-pirenena ho an’ny vokatra biolojika na ny « Biofach ». Hetsika hampahafantarana sy hanomezan-danja ny vokatra malagasy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Rafitra ivondronan’ireo mpiantsehatra amin’ny famokarana biolojika. Tanjona ny hanamorana sy hanatsarana ny fahatongavan’ny vokatra biolojika any amin’ny tsena, […]






