Other News

Tsipy kanetibe Analamanga : Hanasazy ireo mpilalao tsy manara-dalàna

Hametraka rafitra manaraka ny lalàna ny ligin’ny tsipy kanetibe Analamanga, ho an’ny taom-piasana vaovao. Hampanara-dalàna ireo mpilalao sy ny klioba. Hanome sehatra ireo rehetra koa ho fampivoarana ity taranja ity, miainga any amin’ny fokontany, hatrany amin’ny divizionina nasionaly. Nanatanteraka fikaonandoha, niaraka tamin’ireo mpisehatra rehetra amin’ny tsipy kanetibe, ny ligin’Analamanga, ny […]

TARATRY NY KANTO

« Haitsikerana sarimihetsika: Tsy doka na kiana be fahatany ». Io ny lohahevitry ny velakevitra izay hotontosaina ny alarobia 4 febroary izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany, ao amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy. Hitarika izany i Aina Randrianatoandro, iray amin’ireo niofana manokana momba ny haitsikerana sarimihetsika, izay mbola vitsy mpanao eto amintsika. Misokatra […]

Fikambanana Zanak’Imamo : Omena ainga vao ny tanànan’Arivonimamo

Tontosa ny sabotsy 24 janoary, tao amin’ny efitrano malalaky ny kaominina Arivonimamo ambonivohitra, ny fanavaozana sy fifidianana ny birao hitantana ny Fikambanana Zanak’Imamo mandritra ny 3 taona. Nanome toky ireo birao vaovao, tarihin-dRandimbiarison Herizo, fa hiezaka hanao izay tratry ny heriny izy ireo hitondra ainga vao ho an’ny tanànan’ Arivonimamo ary […]

« Mandrakizay Doria » : Sarimihetsika mampifandray ny taloha sy ny ankehitriny

Tsy toy ny sarimihetsika malagasy saika mahazatra… Teo amin’ny fanoratana sy ny fanatontosana dia efa tsapa ny ezaka hanome endrika vaovao ny sarimihetsika malagasy, ao anatin’ny « Mandrakizay Doria ». Mipetraka ho tsipi-panohizan’ny tantara taloha sy ny ankehitriny ny vokatra. Ny 13 febroary 2026 izao no handeha voalohany anaty efitrano […]

VAOVAO TAMBATRA

Mila hatsaraina ny famokarana sy ny fanodinam-bokatra eto Madagasikara mba hialantsika amin’ny fiankinandoha amin’ny fanafarana entana avy any ivelany. Tokony homen-danja sy atao laharam-pahamehana ireo tetikasa mifototra amin’ny famokarana. Tombony ho antsika ny fananana ireo loharanon-karena samihafa azo trandrahina sy hanatsarana ny fari-piainan’ny mponina ary indrindra hanatsarana ny seha-pamokarana sy […]