Tarika Ramaroson Soanieranabe nifanandrina tamin’ny tarika RaEmilison Tsimakalagy avy any Arivonimamo. Nifandanja ny andaniny sy ny ankilany. Izay no nahitan’ireo mpijery ilay adin-kiragasy, tetsy amin’ny Kianja RaPetit Ampefiloha, omaly. Samy nitondra sy naneho ilay nahafantaran’ny olona azy hatramin’izay ny tarika tsirairay. Samy nahatazona ny fifantohan’ny mpijery ihany koa. Tarika RaEmilison, […]
Other News
Pr Siméon Rajaona 100 taona : Hisy fifaninanana asasoratra ho tsangambato
Andrarezin’ny teny malagasy. Tsy ho lalovam-potsiny ny tsingerin-taona faha-100 nahaterahan’ny Pr Siméon Rajaona fa hanatanterahana tsangambato hipetraka ho an’ny taranaka any aoriana. Pr Siméon Rajaona, teraka teto Antananarivo ny 18 febroary 1926. Tsy ho lalovam-potsiny io faha-100 taona io fa homarihina amin’ny fifaninanana asasoratra ho tsangambato. Hizara sokajy efatra ny […]
Karate-Analamanga: Niofana momba ny “Médecine du Sport”
Nanatanteraka fiofanana mahakasika ny “Médecine du Sport”, teny Mahamasina, ny sabotsy lasa teo, ny eo anivon’ ny ligin’Analamanga ny Karate. Noho ny fahatsapan’izy ireo ny maha zava-dehibe ny lafiny fitsaboana eo amin’ny sehatry ny fanatanjahantena no anton’izao, raha ny nambaran’ny filohan’ny ligin’Analamanga ny Karate, Rakotomalala Pierrot. Hampiakarana ny fahaiza-manao sy […]
Dignitas Ecole de Football: Manomana ankizy ho mpilalao matihanina
Nampahafantarina tamin’ ny fomba ofisialy, ny sabotsy lasa teo, teny Alasora ny ivontoerana manabe sy mampianatra baolina kitra ho an’ireo ankizy, Dignitas école de football. Nisokatra ny volana septambra 2022 ary hetahetan-dRazafindrakoto Mamisoa, mpilalao sady kapitenin’ny Scorpions de Madagascar ary mpanazatra ny Disciples FC ankehitriny ny nanangana izany. Tanjony ny […]
Volley – 50 taona : Nifanotrona tamin-dRaharimalala Léa ny mpitia ny taranja
Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano, ny famaranana ny jobily faha-50 taona niseharan-dRaharimalala Léa, filohan’ny federasionina malagasy, teo amin’ny tontolon’ny volley ball. Lalao sy fifampizarana ary fihaonana tamin’ireo niara-nilalao sy niara-lehibe tamin’i Léa no nanamarihana ity famaranana ny fankalazana ity, nandritra ny telo andro. Nifanotrona taminy ireo […]






