Other News

FANTINA sy FINTINA

Tsy mahazatra ny sasany ny ady amin’ny tsimatimanota, araka ny nambaran’ny minisitry ny Fitsarana, Fanirisoa Ernaivo. « Tsy midika ho valifaty politika izany. Tanjona ny hahafahan’ny vahoaka misi­traka marina ny harem-pireneny fa tsy famoretana na fanenjehana olona tsy an-drariny », hoy izy tetsy Anosy ny zoma teo. Lohalaharana amin’ny fanampian’i Frantsa ny […]

Fitantanana eny ifotony : Misy fepetra ny fifidianana lehiben’ny fokontany

Miandry aloha. Namba­ran’ny minisitry ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, Ra­kotonandrasana Velonjara Tiaray, fa misy fepetra ny firosoana amin’ny fifidianana ireo ho lehiben’ny fokontany. « Tena ilaina fitoniana izany vao hotanterahina. Miankina amin’ny zava-misy », hoy izy. Nanteriny fa efa vonona hiroso amin’izany ny eo anivon’ny minisitera tantaniny amin’ny andraikitra tandrify azy. Na […]

Tsy mahazo miverina

  Anisan’ny nampanontany tena ny maro tamin’ny hetsi-bahoaka ny amin’ny fiverimberenan’ny krizy poli­tika: tsy mahafa-bela, tsy mampandroso, mampahantra… Anton’ny fanavaozana ifotony. Mila fiaingana vaovao. Mba tsy ny eo ihany no haverina na miverimberina amin’ ny rafitra, lalàna, fomba fiasa… Izay no efa nahavoa sy nahasasatry ny miarina hatramin’izay; eny, na […]

Fiaraha-miasa : Hanohana ny fikaonandoham-pirenena ny Frankofonia

Nihaona tany Paris ny herinandro teo ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Razanamahasoa Christine sy ny sekre­tera jeneralin’ny Frankofonia (OIF). Nivoitra tamin’ny izany ny dinika momba ny raharaham-pirenena. Nanamafy indray ny fa­nohanany an’i Mada­gasikara ny « Organi­sa­tion internationale de la Fran­cophonie – OIF) ». Nam­ba­ran’ny sekretera jeneralin’ny Frankofonia, Louise Mushi­kiwabo miara-dalana amin­tsika ho amin’ny […]