22 andro taorian’ny nisamborana azy teny Ambatovinaky, niakatra fampanoavana, omaly, ny Jly Ravalomanana Richard. Naiditry ny mpitsara mpanao famotorana vonjimaika am-ponja eny Imerintsiatosika izy. Nalefa eny amin’ny fonjan’Imerintsiatosika ny Jly Ravalomanana Richard, halina. Izay ny vokatry ny fanadihadiana lalina nataon’ny mpitsara mpanao famotorana azy. Niakatra fampanoavana, 22 andro taorian’ny fisamborana […]
Other News
VAOVAO TAMBATRA
Nahafa-po ny iraky ny FMI ny vokatra vitan’i Madagasikara tao anatin’ny 2 volana, momba ny sehatry ny angovo. Natao ny 13 janoary teo ny dinika mahakasika ity sehatra ity, nitateran’ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola (MEF) sy ny ao amin’ny Angovo sy ny akoranafo (MEH) tatitra. Anisan’ny zava-bita ny […]
Analamanga : Zana-kazo 3 500 fototra nambolena tany Ankazobe
Notontosaina ny 15 janoary teo ny fambolen-kazo nokarakarain’ny fitantanam-paritry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Dredd) Analamanga. Teny amin’ny kaominina Ambohitromby, distrika Ankazobe, no nanatanterahana izany. Miisa 3 500 ny zana-kazo novolena tamin’ny velarantany 3 ha. Nitarika ny fotoana ny lehiben’ny Faritra Analamanga, ny tale jeneralin’ny Haitondra ara-tontolo iainana ao […]
Fiaraha-miasa : Haverina ny zotra ana habakabaka mankany Afrika Atsimo
Maromaro ny fifanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy i Afrika Atsimo. Firenena voalohany fanafarantsika entana, amin’ny alalan’ny fifanakalozam-barotra malalaka tsy tataovan-ketra (Zlecaf). Noraisin’ny filoha afrikanina tatsimo, Cyril Ramafosa, tao amin’ny trano fonenany, any Mahlamba Ndlopfu, Pretoria, ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny kolonely Randrianirina Michaël, ny zoma 16 janoary teo. […]
Sehon-dry Solomiral : Fihaonamben’ny mpianakavy
« Tao daholo », hoy ilay fomba fitenenana fandatsana ireo tsy tonga tamin’ny fotoana nifanomezana. Fa dia nahalaza ny zava-nisy omaly, tetsy amin’ny Havoria Anosy, tokoa anefa. Vory nanotrona ny fampisehoana nataon-dry Solomiral ny mpianakavy anaty mozika. Tsy ny mpankafy fotsiny no namaly ny antso, fa tazana tanaty efitrano koa ireo mpanao […]






