Tsy raikitra rahampitso, ny lalaon’ny As Fanalamanga sy ny Ajesaia, izay tokony hatao any Ambatondrazaka. Fifanandrinana izay tafiditra amin’ny andro voalohan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, PFL. Lalao telo, araka izany, no handeha amin’ity faran’ny herinandro ity. Hanafika ny TGBC Atsinanana atsy Toamasina, ny Cosfa Miaramila, tompondaka lefitrin’ny PFL farany […]
Other News
Fitantanana ny taranja Handball : Fantatra anio ny filoha hitantana ny Federasionina
“Iza amin’izy efatra”? Ho fantatra anio, etsy amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena sy ny Kolontsaina Mahamasina, ny anaran’ny filoha vaovao hitantana ny Federasionina malagasin’ny Handball (FMH). Hatao androany eny an-toerana mantsy ny fifidianana izay ho lehibe hitondra izany indray mandritra ny efa-taona manaraka eo. Miisa efatra ireo kandida nirotsaka hifanintsana amin’ izany. […]
MPC: Hatao ny 23 janoary izao ny fifidianana
Tapitra tanteraka ny fe-potoana hitantanan’ny filohan’ny “Madagascar Paralympic Committee” (mpc). Efa fantatra ny daty hanatanterahana ny fifidianana, izay hitantana ho an’ny efa-taona manaraka. Hotanterahina ny 23 janoary, eny amin’ ny M Hotel Ampefiloha izany, araka ny fandaharam-potoana. Ligy 13 amin’ireo 15 misy no manana ny fahazoan-dalana hifidy hatreto ary efa […]
Fandrobana an’i Zigle sy i Sedrick: Nametraka fitoriana ny klioban’ny Decines
Niharan’ny herisetra tany France, ny Malagasy mpilalao tsipy kanetibe, i Zigle sy i Yves Sedrick. Nisy nandroba ny fiara nitondra ny entan’izy ireo ny alakamisy alina ka very tamin’izany ny valizy nisy ny akanjo sy ny antontan-taratasy sarobidy, hipetrahan’izy mirahalahy any an-toerana. Niteraka resabe teto Madagasikara sy tao anaty tambanjotran-tserasera […]
VAOVAO TAMBATRA
Tafakatra 6 700 taonina (t) ny lohamenaka naondran’i Madagasikara nandritra ny 11 volana voalohan’ny taona 2025. Nampidi-bola hatrany amin’ny 452, 3 miliara Ar izany sady porofo fa manomboka miverina tsikelikely ny lanjan’ny lohamenaka malagasy. Ny volana avrily no tena betsaka ny vokatra naondrana izay nahatratra 1000 t sy nisanda 60,1 […]






