Hotanterahina anio, any Arabia Saodita, ny lalao manasa-dalanan’ny fiadiana ny amboarabe an’i Espagne. Hifanandrina amin’izany, ny Real Madrid sy ny Atletico de Madrid. Mbola manala vela amin’ity fifandomana ity, ny Real Madrid, satria efa resin-dry zareo Atletico tamin’ny isa 5 no ho 2, ny madrilenina, nandritra ny lalao nihaonan’ny roa […]
Other News
Volley-Taona 2026 : Feno tanteraka ny fandaharam-potoana
Fiofanana ho an’ny mpanazatra hatao any Toamasina, no hisantarana ny taom-pilalaovana 2026, ho an’ny taranja volley ball, ny 24 hatramin’ny 27 febroary izao, raha ny fandaharam-potoanan’ny federasionina. Hisy ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, sokajy latsaky ny 19 taona aorian’izay hitiliana izay handrafitra ny ekipa malagasy hiatrika ny “Championnat des Nations […]
Federasionin’ny handball : Kandida efatra nirotsaka hofidina ho filoha
Hofantatra anio, ny anaran’ireo kandida hofidiana izay ho filohan’ny Federasionina malagasin’ny handball. Tsy nandray anjara ny mpitantana teo aloha. Hotanterahina ny sabotsy ho avy izao, etsy amin’ ny Lapan’ny Fanatanjahantena sy ny Kolontsaina Mahamasina, ny fifidianana izay ho filohan’ny Federasionina malagasin’ny handball (FMH). Araka ny filazan’ilay loharanom-baovao iray, omaly, fantatra […]
VAOVAO TAMBATRA
Hohatsaraina sy hoharenina ireo fotodrafitrasa famokarana toy ny “Centre Multiplicateur de Semences” (CMS) sy ireo tohadrano. Hohamafisina ihany koa ny tohana hanam-pamokarana, toy ny masomboly sy ny zezika, ho fanatsarana ny vokatra sy ny fari-piainan’ny tantsaha. Hanamafisina bebe kokoa ny seha-pamokarana, ka hiara-hientana ny rehetra amin’ny fampiroboroboana ny fambolena sy […]
Mpiasam-panjakana : Hisitraka famenon-karama ireo misotro ronono
Nanambara tamin’ny alalan’ny taratasy ofisialy ny Direction générale du Budget et des Finances (DGBF) fa hisitraka ny « Complément d’IIR » ireo mpiasam-panjakana efa misotro ronono. Tafiditra ao anatin’ny ezaka fanavaozana ny fitantanan-draharaha ara-panjakana izany, ary tanterahina araka ny fahafahan’ny tetibolam-panjakana. Araka ny fanazavan’ny DGBF, « fanatanterahana feno ny Statut […]






