Notontosaina ny alahady lasa teo ny andro voalohany fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra, “Pureplay Football League (PFL)”. Samy tsara fanombohana na ny Disciples FC Vakinankaratra na ny CFFA Andoharanofotsy, tamin’izany. Ny Disciples FC nandavo ny Mama FC, tamin’ny isa 1 no ho 0, tao amin’ny Kianjan’ny Mama […]
Other News
Tsipy kanetibe: Lasan’i Yves Sedrick ny “Boule d’or 2025”
Nitondra anaram-boninahitra vaovao indray ny taranja tsipy kanetibe. Norombahin-dRakotoarisoa Yves Sedrick mantsy ny “Boule d’or 2025”, na ny mpilalao mendrika indrindra maneran-tany. Izy indray izany no nandimby an’i Jean Feltain, nahazo izany tamin’ny taona 2024. Tsara fiafarana ny taona 2025 ho an’ny taranja tsipy kanetibe. Nofaranan-dRakotoarisoa Yves Sedrick tamin’ny fibatana […]
« SAR’Nao » andiany faha-16: fampirantiana iombonana an’ireo sary nohatsaraina
Manana ny toerany lehibe amin’ny fikirakirana sary ihany koa ny Intelligence artificielle. Hasongadin’ireo mpaka sary amin’ireo sanganasany, hampirantiana etsy amin’ny CGM/GZ, izany. «IA, vision multiple ». Io ny lohahevitry ny fampirantiana iombonana, izay tontosaina etsy amin’ny CGM/GZ, amin’izao fotoana izao. Manasongadina ny zava-bita amin’ny Intelligence artificielle, eo amin’ny sehatry ny saripika […]
Toby Ambohimanambola 2: mitombo tsikelikely ny tanjaky ny RIA
Anisan’ny hanampy ny famatsiana herinaratra ao amin’ny Tambajotra iraisan’Antananarivo (RIA) ny Toby termika faharoa an’ny Jirama eny Ambohimanambola (CTA 2). Efa mandeha ny gropy iray, mamokatra herinaratra 5 MW. Eo am-panandramana ny gropy faharoa, fa mbola misy arindra kely ny hafanana. Eo am-panaovana andrana koa amin’izao fotoana izao ny gropy […]
Faritra arovana an-dranomasina 5,2 tapitrisa dolara hanohanana ny mponina
Manohana ny fitantanana maharitra ny faritra arovana an-dranomasina tantanin’ny mponina eny ifotony (LMMA) ny Tahirim-bola maneran-tany ho an’ny tontolo mananaina (GBFF). Mitentina 5,29 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola avy amin’ny Tahirim-bola ho an’ny tontolo iainana maneran-tany (Fem) ho an’i Madagasikara. Manatanteraka ny tetikasa ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra […]






