Tsipy kanetibe: Lasan’i Yves Sedrick ny “Boule d’or 2025”

Nitondra anaram-boninahitra vaovao indray ny taranja tsipy kanetibe. Norombahin-dRakotoarisoa Yves Sedrick mantsy ny “Boule d’or 2025”, na ny mpilalao mendrika indrindra maneran-tany. Izy indray izany no nandimby an’i Jean Feltain, nahazo izany tamin’ny taona 2024.

Tsara fiafarana ny taona 2025 ho an’ny taranja tsipy kanetibe. Nofa­ra­nan-dRakotoarisoa Yves Se­drick tamin’ny fibatana ny am­boara “Boule d’or”, ho an’ny mpilalao mendrika indri­ndra ho an’ity taona ity, izany. Ma­rihina fa mitovy lanja amin’ny “Ballon d’or” amin’ny baolina kitra izy ity. Ny alahady lasa teo, nambaran’ny Zone pé­tanque, mpikarakara ny fifaninanana tao amin’ny tambajotran-tseraserany fa lasan’ity Malagasy mpilalao tsipy kanetibe ity izany. Fifidianana ataon’ny mpankafy maneran-tany amin’ny alalan’ny tambanjotran-tserasera izy ity ka nahazoany i Yves vato 1 274.
Mbola Malagasy ihany koa ny laharana faharoa, Rakoton­drainibe Jean François Daniel (Zigle), tompondaka maneran-tany tamin’ny “tir de précision 2024”. Nahazo vato 1 020 ny tovolahy. Fahatelo ilay fran­tsay, i Sébastien Rousseau, isa 687. Rakotoarisoa Yves Se­drick izany no nandimby ilay frantsay, i Jean Feltain, nandrombaka izany tamin’ny taona 2024. Marihina fa izy mirahalahy ireo izay nahazo fifanarahana hilalao ao amin’ ny klioban’ny Decines France, mandritra ny efa-taona (2026 – 2029).
Raha tsiahivina, nandrombaka ny Mondial La Marsei­llaise i Yves niaraka tamin’i Tiana (Tonnerre) sy i Lova, tamin’ity taona ity. I Madaga­si­kara rahateo ny firenena vahiny nibata voalohany io fifaninanana io.
Noho io vokatra azon-dry zalahy io, fantatra fa tafita avy hatrany amin’ny famaranana lehibe, amin’ny Passion Pé­tanque Française (PPF 2026), hatao any Douaisis, ny 7 sy ny 8 marsa 2026, izy telo mirahalahy. Miisa 16 moa ireo hia­trika izany ka mbola hiady toerana izany ny ambiny hahalalana izay 15 tafita.

Tompondaka

Partager sur: