Hidona amin’ny Cosfa, tompon’ny amboaran’i Madagasikara, ny CEA Andranomanalina, izay mitarika vonjimaika eo amin’ny fifaninanana “XXL Top 12”. Lalao fihantsiana fotsiny ihany izy ity, entina hankalazana ny jobily faha-125 taonan’ny Rugby teto Madagasikara. Tonga ny fotoana nandrasana! Hotanterahina manomboka anio, etsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny fankalazana ny jobily faha-125 […]
Other News
FANTINA sy FINTINA
Mila omena lanja ny vehivavy ao anatin’izao fitondrana fanavaozana izao, araka ny fanehoan-kevitr’izy ireo, nanao atrikasa teto Antananarivo, omaly. Nohitsin’izy ireo fa maro ny fanilikilihana nihatra tamin’ny vehivavy mpanao politika nandritra ny fitondrana teo aloha. Nojerena tamin’izany ny anjara toeran’izy ireo, manomboka eny amin’ny fokontany. Nambaran’ny filoha nasionalin’ny MMM, Andrianainarivelo […]
Antenimierampirenena : “Aoka ny governemanta hanatsara ny sosialim-bahoaka”
“Miantso ny governemanta izahay hanohy ny ezaka ho fanatsarana ny sosialim-bahoaka sy hanamafy ny ady amin’ny kolikoly izay napetraka ho laharam-pahamehana”. Io no namaranan’ny filoha Randrianasoloniaiko Siteny, ny fivoriana ara-potoana faharoan’ny Antenimierampirenena, teny Tsimbazaza, omaly. Nantsoiny ny hery velona rehetra handray anjara amin’ny dinika nasionaly hahazoana mametraka miaraka ny lalàmpanorenana […]
Mahaiza mifety
Hilaharana tsy misy ohatr’izany ny toeram-pizarana vola ho an’ny mpandray karama volana desambra. Ny faha-10 ny volana lasa teo no efa nanomboka nandray ny anjarany ny mpiasam-panjakana. Lasa aloha be tokoa satria mba anisan’ireo maika handeha hiala sasatra ihany koa ny mpanamboatra karama. Fety ny andro, maromaro ny fandaniana […]
Filoha, ny Kly Randrianirina Michaël: « Ilaina ny faharetantsika sy ny fahatokisana »
Nitohy omaly ny fitsidihan’ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël, ny any atsimon’ny Nosy. Nitondra fanazavana momba ny fiainam-pirenena ny tenany. “Firenena efa potika an-taonany maro no harenina. Tsy ho vitantsika ao anatin’ny andro vitsy anefa izany fa ilaina ny faharetana sy ny fahatokisana anay, ahavitantsika manarina ity firenentsika ity», hoy […]






