Other News

Rano sy loto

Tsy vita hatreo akory, mbola hijohy ny orana, saika manerana ny tanàna maro, manerana ny Nosy. Efa mahazo ny anjarany, mihoatra ny mety ny eto an-dRenivohitra. Mahazo ny sahaza azy ny any amin’ny faritra. Mila mitandrina amin’ny fiakaran’ny rano, araka izany, ny zanakolombelona. Tena nampihantain-janahary tanteraka. Migalabona aoka izany ny […]

Praiminisitra Rajaonarivelo Herintsalama : «Miandry vokatra mivaingana ny vahoaka»

Nanomboka omaly ny fifanatrehan’ny solombavambahoaka sy ny mpikamban’ny governemanta. ”Miandry vokatra mivaingana ny vahoaka”, hoy ny Praiminisitra nandritra izany. “Fantatry ny governemanta tsara fa miandry vokatra mivaingana sy azo tsapain-tanana ary maika ny vahoaka”. Io ny nambaran’ny Praiminisitra Rajaonarivelo Herintsalama tamin’ny fanombohana ny fifanatrehan’ny Antenimierampi­re­nena sy ny governemanta, teny Tsimbazaza, […]

TSELATRA

Jiolahy iray tratran’ny polisy niditra antsokosoko tao amina tokantrano iray teny Antsalovana Antohoma­dinika, omaly maraina, tokony ho tamin’ny 4 ora. Nopitso­hiny ny varavarana ary nalainy ireo finday telo tao an-trano. Taitra sy naheno izany ny tompon-trano ka nampandre ny polisy sy nanaitra ny fokonolona. Nifanenjehana ilay jiolahy ka nifanehitra tamin’ny […]

Fisavana tany Mantasoa: Nikaroka fitaovam-piadiana nafenina ny FDS

Tompon’antoka tamin’ny fampidirana fitaovam-piadiana mahery vaika eto Madagasi­ka­ra, ny tale jeneralin’ny vondrona Sodiat, Ravatomanga Mamy, araka ny nambaran’ny tomponandraikitra eo anivon’ny Vondron-kery fiarovana sy ny filaminana, omaly. Ara-dalàna ho azy ireo ny fisavana rehetra izay natao teny anivon’ny trano fonenana sy ny orinasa sasantsasany eo anivon’ io vondron’orinasa io. “No­men’ […]

Ambatomaro: Jiolahy efatra maty voatifitra

Maty voatifitry ny mpitandro filaminana ny jiolahy miisa efatra, anisan’ireo nikasa hanao fanafihana mitam-piadiana teny Ambatomaro, ny alin’ny alahady 14 desambra teo. Na­ha­ray antso avy amin’ny tsara sitrapo ny ekipan’ny polisim-pirenena fa misy andian-jiolahy mikononkonona hanafika. Nanao ny angom-baovao rehetra izy ireo ka nidina ifotony ny ekipan’ny USI, fantatry ny […]