Mahatratra 45,8% ny fahavitan’ny «voie rapide», amin’ny ampahany voalohany mirefy 80 km. Nomen’ny fitondram-panajakana Fanavaozana anarana hoe «vie rapide» ity lalana miainga eto Antananarivo ity fa tsy «autoroute» na arabe migodana intsony. Miainga eny Ambodifasina ny PK0 hatrany Anjozorobe. Mirefy 55 km no vita amin’ny 70 km, ka mahatratra 19 […]
Other News
Sakafo andavanandro : Misotro ronono 7 litatra isan-taona ny Malagasy iray
Mbola ambany ny tahan’ny fisotroan’ny Malagasy ronono raha oharina amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Eo anelanelan’ny 5 ka hatramin’ny 7 litatra monja isan-taona no lanin’ny Malagasy iray. Izany hoe, latsaky ny iray litatra isam-bolana, araka ny antontanisa navoakan’ny Malagasy Dairy Board (MDB). Lavitra ny salan’isa 100 litatra isan-taona atolotry ny fenitra maneran-tany […]
Fari-piainana : Lavitry ny fampandrosoana i Madagasikara
Marefo avokoa ny ankamaroan’ny rafitra eto Madagasikara. Miteraka sakana ho an’ny fampandrosoana ny toekarena sy ny lafiny sosialy izany. Mbola voafetra ny fitomboan’ny harinkarena satria ambany ny famokaran’ny sehatry ny fambolena, eo koa ny tsy fahampian’ny fotodrafitrasa, ny fisian’ny loza voajanahary miverimberina, araka ny tatitry ny Banky iraisam-pirenena. Mananosarotra koa, […]
Fiompiana : Ahazoana tantely 15 kilao ny tohotra iray
Seha-pihariana mahasoa sady azo haondrana any ivelany ny fiompiana tantely. Mbola kely ny vokatra eto amintsika, ka apetraka ny paikady hampiroboroboana azy. Natao teto Antananarivo, ny 29 mey teo, ny Dinika hampiroboroboana ny seha-pihariana tantely. Efa vita ny dinika natao tany amin’ ny faritra miisa sivy, ka aravona ny angon-kevitra, […]
FANTINA sy FINTINA
Niantso ireo mpikaroka eo anivon’ny Akademia ny filohan’ny Fanavaozana, ny Kly Randrianirina Michaël, hanampy ny minisitera sy ny Andrimpanjakana hanisy dikan-teny malagasy amin’ireo taratasy eny anivon’ny sampandraharaha sy biraom-panjakana. Nivoitra izany tamin’ny fanokafana ny Iray volan’ny teny malagasy, teny Tsimbazaza, omaly. Hisy fivoriana voafetra hatao anio ho fanombohan’ny fikaonandoham-pirenen’ny tanora […]






