Other News

Fampanantenan’ny Kly Randrianirina M.: nandray tambim-pankasitrahana ny mpiasam-panjakana

Noho ny findangan’ny vidim-piainana, nanome tambim-pankasitrahana 310 000 Ar ny mpiasam-panjakana ny Filohan’ny Fanavaozana, ny Kly Randrianirina Michaël. Efa nisy ny fizarana ny ilain’ny mponina andavandro mialoha an’io, tany atsimon’ny Nosy. Notanterahina avy hatrany! Nanomboka omaly ny fandraisan’ny mpiasam-panjakana ilay vola tambim-pankasitrahana avy amin’ ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasi­kara, […]

Fetin’ny faran’ny taona: saika ivelan’ny Renivohitra ny hetsika

Amin’ny tonon-taona tahaka izao. Efa zary mahazatra ny Malagasy ny « manao fety ». Ny hira sy ny dihy no mahazo vahana kokoa amin’izany. Ho an’ity fanakatonana ny taona 2025 ity. Maro amin’ireo Malagasy mpanakanto no nisafidy ny hijanona eto an-toerana. Saika any amin’ireo efitrano mala­laka na « Espace » ivelan’ny Renivohitra no hanatanteraka […]

Miandry ny gasy

Hivalona tanteraka anio ny taona 2025. Taona izay nise­hoan’ny fahagagana tanteraka raha ho an’ny Mala­gasy. Nahitana izany ny tontolon’ny politika. Iza tokoa no nanampo fa noraofin’ity taona ity ny fahefan’ny filoha teo aloha, Rajoelina Andry, sy ny praiminisitra Ntsay Christian. Tena tsy nampino mihitsy ny zava-niseho tanatin’ny fotoana fohy. Nitsimbadika […]

Maka Alphonse: “Mila finiavana ny hoavy politikan’i Madagasikara”

“Mila finiavana politika ny hoavy politikan’i Madagasi­kara. Mila olona toa an’i Jerry John Rawlings tany Ghana. Mia­ramila izany. Sahy manova…” Io ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny Conseil du fampiha­vanana malagasy (CFM) teo aloha, i Maka Alphonse, ny amin’ny toe-draharaham-pirenena amin’izao fotoana izao, hirosoana amin’ny hoe fanavaozana. Raha sahy manova, tsy maintsy atao […]