Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy, nanomboka ny sabotsy teo, ny Olympia eny Tanjombato. Tranombarotra ivondronan’ireo Malagasy mpandraharaha sy vahiny izay midadasika amina velarana 16 800 m². Goavana sy manara-penitra tanteraka ny fotodrafitrasa, ahitana toeram-piantsonan’ny fiara misy rihana dimy izay mahazaka fiara hatrany amin’ny 240 ny Olympia. Mbola izy ihany koa no […]
Other News
Fikarohana momba ny vary : Hizara ny fahaiza-manaony ny Japoney
Hanolotra ny traikefany sy ny fahaiza-manao ao anatin’ny fikarohana momba ny vary eto amintsika ireo mpilatsaka an-tsitrapo japoney. Hiara-miasa akaiky amin’ireo mpisehatra samihafa ireo teratany vahiny ka tanjona ny hanatsarana sy hampiroborobo ny vokatra eto amintsika. Araka izany, hiara-hisalahy amin’ireo mpikaroka avy ao amin’ny Fofifa ireo japoney. Tafiditra ao anatin’izany […]
TARATRY ny KANTO
Nikatona tanteraka ny “Madagaslam Festival 2025”. Ankoatra ireo ny fampahafantarana an’i Ma Fia, izay tompondakan’i Madagasikara, nandritra ny “Slam national” andiany faha-16, efa fantatra koa ireo mpandresy tamin’ny sokajy hafa. I Mariah Danielle teo amin’ ny sokajy “Slam media kids”, i Sedra nandresy tao amin’ ny sokajy “Slam Media open”, […]
Fizarana fahalalana amin’ny kolontsaina : Mitady ny maimaimpoana hatrany ny Malagasy
Mbola tena mafy ny fifandresen-dahatra! Mila omen-kasina ny tontolon’ny zavakanto sy ny kolontsaina malagasy. Tsy izay, anefa, ny zava-mitranga fa mitady ny maimaimpoana hatrany ny Malagasy. « Izahay te hianatra mitendry valiha, milalao fanorona, hahay sikidy sy fanandroana, sns. Saingy, misy sarany avokoa ny fianarana ireny… Tsy aleo ve atao maimaimpoana », […]
Andrarezin’ny vazo miteny : Hisy ny “Pao-tsatroka ho an’Ifanihy”
Tsy misy adihevitra, fa Ifanihy no anarana akaiky indrindra raha vao hoe “vazo miteny”. Misy ireo zandry novolavolainy, hanolotra pao-tsatroka ho an’ity mpanakanto ity. “Omeko tsy omeko”, “Lemena”, “Mpiasan’ny voirie”, sns. Tany amin’ny fiandohan’ny taom-polo 80 tany no efa nampisongadina ireo hira ireo. Mpamorona iray, mahay milalao ny teny hifanaraka […]






