Nanoro lalana ireo mpanoratra ny Opération Bokiko. Anisan’ny nozarain’ny filohan’ny fikambanana, Holy Danielle, io nandritra ny fihaonana ny sabotsy teo, tetsy amin’ ny Cité des Cultures Antaninarenina. Mazava ny andraikitry ny fikambanana dia ny fandrisihana sy ny tolo-tanana ho an’ireo mpanoratra andaniny, ary ny fanentanana ireo mpamaky, ankilany. Nizarazara ny […]
Other News
VAOVAO TAMBATRA
Hamaritra ny vidin’ny internet ny fanjakana ho an’ireo mpandraharaha mibahana ny tsena. Hotanterahina amin’ny alalan’ny Artec izany. Fanombohana ny tetikasa ny nanaovana fihenam-bidy ny tolotra izay efa nampiharin’ireo mpandraharaha misehatra amin’ny fifandraisan-davitra, izay mifototra bebe kokoa amin’ny alina. Mitentina 5 miliara Ar ireo vata mpanova herinaratra naterin’ny filohan’ny Fanavaozana ny […]
Afripower : Herinaratra 40 MW avy amin’ny masoandro
Anisan’ny mamatsy herinaratra amin’ny tambajotra iraisan’Antananarivo (RIA), an’ny Jirama, ny orinasa Afripower, ao anatin’ny vondrona Filatex. Hanomboka ny fananganana ny fotodrafitrasa foibe mamokatra herinaratra avy amin’ny herin’ny masoandro ao Moramanga. Hamokatra 40 MW ity foibe ity, raha toa ka 5 MW ny vokarin’ny foibe mandeha solika (HFO) ao an-toerana, ankehitriny. […]
Orange Madagascar : Tafapetraka ny Fibre optique Tana-Mahajanga
Dingana lehibe amin’ny fampiroboroboana ny niomerika no vitan’ny Orange Madagascar tamin’ny alalan’ny fahavitan’ny tambajotra « Fibre optique » Tana-Mahajanga, izay mirefy 558 km. Fotodrafitrasa vaovao natao hanamafy ny tambajotram-pifandraisana, hiantohana ary hanomezana tolotra tsy ankiato ny mpanjifa an-tapitrisa izany. Naharitra valo volana ny asa ka miisa 2 500 ireo olona niara-nisalahy taorian’ny fanadihadiana […]
« Visited » : Tambajotra sosialy voalohany misehatra amin’ny fizahantany
Voalohany eto Madagasikara. Vovonana mitondra fanavaozana eo amin’ny sehatry ny fizahantany amin’ny alalan’ny fampiasana ny teknolojia avo lenta ny « Visited », tambajotra sosialy vita malagasy. «Manampy amin’ny fijerena ny hakanton’ny Nosy sy hamaly ny fanontaniana rehetra manitikitika ny tsirairay ny faharanitan-tsaina artifisialy (Visited AI) miaraka aminy», hoy i Alpha, mpamorona ny tetikasa. […]






