Nihatra nanomboka ny alin’ny alakamisy hifoha zoma teo ny vidin-tsolika vaovao mandritra ity volana desambra ity, raha ny navoakan’ny Ofisy malagasy momba ny akoranafo (OMH). Araka izany, niakatra 110 Ar raha oharina ny vidiny teo aloha ny lasantsy sy gazoala, nahitam-piakarany 90Ar ihany koa ny vidin’ny solika fandrehitra (pétrole lampant). […]
Other News
Vokatra fanondrana: Harenina ny sehatry ny lavanila
Nitondra fanazavana momba ny fanavaozana ny seha-pihariana lavanila ny minisitry ny Varotra sy ny fanjifana, Andriamadison Haingotiana, nandritra ny fihaonany tamin’ireo loholon’i Madagasikara teny amin’ny Lapan’Anosikely. Efa nisy, hoy izy, ny atrikasa nihainoana ny mpisehatra rehetra tany Sambava. Natsangana ihany koa ny komity teknika iraisan’ny minisitera handinika ny vahaolana maharitra […]
CEO Summit : Vina ara-toekarena vaovao ho an’ny taona 2026
Hatao ny 9 sy 10 avrily 2026 ho avy izao, eto Antananarivo, ny fihaonambe ara-toekarena, andiany faharoa. Fotoana hiompana amin’ny lafiny rehetra iarahana amin’ny mpiara-miombon’antoka, hamaritana tondrozotra vaovao. Natao ny 4 desambra 2025 teo, teto Antananarivo, ny fanomanana ny fihaonana an-tampony, andiany faharoa, CEO Summit. Fihaonambe iraisam-pirenena mamondrona ireo mpandraharaha […]
TARATRY ny KANTO
Handray anjara amin’ny «Oscars», andiany faha-98, ilay horonantsary «Disco Afrika». Sanganasan’i Luck Razanajaona ary novokarin’ny Africamadavibe Production izy ity, izay efa nandray anjara tamina «festival» maro maneran-tany momba ny sarimihetsika. Rariny raha toa ka voafantin’ny komity nasionaly handray anjara amin’ity hetsika goavana, hankasitrahana ny sarimihetsika maneran-tany ity, ny sanganasany. Sambany […]
Fanomezan-kasina ny fototra : Mila hatevenina amin’ny lalàna ny fifanajana
Iray amin’ireo tetika nentin’ny vahiny hamotehana ny fototra maha firenena ny firenena ny fampanjakana ny gaboraraka. Taona maro be no niaina tao anatin’izany ny Malagasy hany ka very ny fifanajana. Very ny fahaizana sy fahalalana ny maha izy ny tena, sns. Tranga izay niteraka tsy fahalalam-pomba. Ho fanomezan-kasina ny fototra. […]






