Other News

Vokatra fanondrana: Harenina ny sehatry ny lavanila

Nitondra fanazavana momba ny fanavaozana ny seha-pihariana lavanila ny minisitry ny Varotra sy ny fanjifana, Andriamadison Haingotiana, nandritra ny fihaonany tamin’ireo loholon’i Madagasikara teny amin’ny Lapan’Anosikely. Efa nisy, hoy izy, ny atrikasa nihainoana ny mpisehatra rehetra tany Sambava. Natsangana ihany koa ny komity teknika iraisan’ny minisitera handinika ny vahaolana maharitra […]

CEO Summit : Vina ara-toekarena vaovao ho an’ny taona 2026

Hatao ny 9 sy 10 avrily 2026 ho avy izao, eto Antananarivo, ny fihaonambe ara-toekarena, andiany faharoa. Fotoana hiompana amin’ny lafiny rehetra iarahana amin’ny mpiara-miombon’antoka, hamaritana tondrozotra vaovao. Natao ny 4 desambra 2025 teo, teto Antana­na­rivo, ny fanomanana ny fihaonana an-tampony, andiany faharoa, CEO Sum­mit. Fihaonambe iraisam-pirenena mamondrona ireo mpandraharaha […]

TARATRY ny KANTO

Handray anjara amin’ny «Oscars», andiany faha-98, ilay horonantsary «Disco Afrika». Sanganasan’i Luck Razanajaona ary novokarin’ny Africamadavibe Production izy ity, izay efa nandray anjara tamina «festival» maro maneran-tany momba ny sarimihetsika. Rariny raha toa ka voafantin’ny komity nasionaly handray anjara amin’ity hetsika goavana, hankasitrahana ny sarimihetsika maneran-tany ity, ny sanganasany. Sambany […]

Fanomezan-kasina ny fototra : Mila hatevenina amin’ny lalàna ny fifanajana

Iray amin’ireo tetika nentin’ny vahiny hamotehana ny fototra maha firenena ny firenena ny fampanjakana ny gaboraraka. Taona maro be no niaina tao anatin’izany ny Malagasy hany ka very ny fifanajana. Very ny fahaizana sy fahalalana ny maha izy ny tena, sns. Tranga izay niteraka tsy fahalalam-pomba. Ho fanomezan-kasina ny fototra. […]

Concert Classique de midi : Hiaka-tsehatra ny Madagascar Orchestra

Tafiditra ao anatin’ny andiany faha-164 ny «Concert classique de midi», karakarain’ny Madagascar Mozarteum. Hanatanteraka ity fampisehoana an-tsehatra ity ny Madagascar Orchestra, ny talata 16 desambra izao, manomboka amin’ny 1 ora tolakandro, etsy amin’ny IFM Analakely. Hahazo ampaham-potoana lehibe ireo hira na feon-kira miresaka momba ny fahatongavan’ny Mpamonjy na ny hiran’ny […]