Manahy sahady amin’ny voly vary ny tantsaha eto afovoan-tany manoloana ny rotsakorana misesisy. Manomboka miakatra ny rano any amin’ireo faritra manodidina an’Antananarivo izay ahina hiantraika amin’ny vokatra sy vidiny aoriana kely ao. Tombony ho an’ny ankamaroan’ny tokantrano ny rotsakorana amin’izao fotoana. Zava-misy izay manena ny fandaniana ny vola mivoaka andavanandro […]
Other News
Niomerika : Tsy mifandanja ny fisitrahana ny internet
Mivoatra ny niomerika eto Madagasikara saingy mbola vitsy ireo misitraka sy mampiasa izany, indrindra any amin’ny tontolo ambanivohitra. Mitotaly 6,3 % amin’ny fidiram-bola ankapobeny ho an’ny mpanjifa iray ny saran’ny internety 2Go eto amintsika, izany hoe, avo roa heny amin’ny vidiny aty Afrika (3,5%), raha ny tatitra navoakan’ny Banky Iraisam-pirenena. […]
Famokarana masomboly : Hotantanin’ny fanjakana ny foibe any Anosiboribory
Sompitr’i Madagasikara ny any Alaotra. Maro anefa ny sakana amin’ny fampitomboana ny vokatra. Vaky ny fefiloha Ampariatody, miaro lemaka 3 500 ha, ary betsaka ny tsy azo volena tratry ny tondradrano sy fasika. Misy fefiloha iray hafa manondraka 3 600 ha, mila hamafisina. Maromaro ny vahaolana nomen’ny minisitry ny Fambolena […]
Indri-Miarakap-Kinome : Toekarena maitso miteraka fampandrosoana haingana
Atao eto Antananarivo, omaly 9 sy anio 10 desambra, ny fikaonandoha iraisam-pirenena. Fihaonana mifantoka amin’ ny fametrahana fanamby hikarohana vahaolana hisian’ny fampandrosoana amin’ny alalan’ny toekarena maitso. Miaraka mikarakara ny fotoana, ny Indri, ny Miarakap, ny Economic Policy Network ary ny Kinome. Nanatrika tao daholo ny sehatra avy amin’ny fanjakana, ny […]
FANTINA sy FINTINA
Nanamafy ny FFKM fa anisan’ny nasaina ny filoha teo aloha, Rajoelina Andry, amin’ny fanokafana ny fikaonandoham-pirenena, anio, eny Ivato. Nambaran’izy ireo fa misokatra ho an’ny rehetra ny fandraisana anjara amin’izany. « Diniky ny samy Malagasy ary vatsian’ny Malagasy vola », hoy izy ireo. Mbola hisy fampiofanana sy fanamafisana traikefa ho an’ireo hiatrika […]






