Other News

Toamasina – « Metalscene Beasts » : Seho miaraka amin-dry Nocturnal sy Mania

Tontolon’ny mozika rock sy metaly. «Metalscene Beasts», fampisehoana hotanterahin’ny Nocturnal sy Mania, any Toamasina, ny alahady 30 novambra izao, manomboka amin’ny 3 ora sy sasany tolakandro. Ao amin’ny efitrano fanaovam-petin’ny sekoly Sacré Coeur, Tanambao no hanaovana izany. Nocturnal sy Mania, tarika roa anisan’ny manana traikefa matanjaka eo amin’ny fitondrana eny […]

Teatra, hira, dihy, saripika… Nodimandry i Mamy Rakotoarimalala

Anisan’ireo mpahay kanto marolafy i Mamy Rakotoarimalala. Nisongadina kokoa izy teo amin’ny tontolon’ny teatra sy ny dihy, hatrany ivelany izany. Nodimandry teo amin’ny faha-86 taonany ity mpanakanto ity. Andrarezin’ny kanto ma­la­gasy iray indray no lavo. Nodimandry, oma­ly, i Mamy Rakotoarimalala, mpanakanto nanan-talenta marolafy, ka nanamarika ny tontolon’ny zavakanto nandritra ny […]

SOMBIM-BAOVAO

Hotanterahina ny 29 sy 30 novambra izao, ao amin’ny Paul Minault Androhibe, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja échecs, ho an’ny sokajy Jeunes. Mbola mitohy ny fisoratana anarana amin’ity fifaninanana ity. Misokatra ho an’ny mpilalao échecs manerana ny Nosy, izay mijoro ara-dalàna eo anivon’ny Federasionina malagasy ny lalao. Araka ny […]

Tsipy kanetibe – Tompondakan’i Afrika: Mitotongana ny ekipa malagasy

Nandiso fanantenana ary tena mahonena. Izay no azo hamehezana ny fiatrehan’i Madagasikara ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ta­ranja tsipy kanetibe, sokajy le­hilahy. Fihaonana tanterahina any Nouakchott, Maurita­nie. Na nahazo medaly alimo aza, nody maina ny delegasionina, satria tsy izany no ni­fanara­ha­na fa ny ho tompondaka. I Ma­dagasikara rahateo no […]

“Indian Ocean U15 Festival 2025” : Handray anjara ny Barea zandriny

Hotanterahina ny 15 hatramin’ny 19 desambra ho avy izao, any Maurice, ao amin’ny Kianjan’ny Côte d’Or, ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina, taranja baolina kitra, “Indian Ocean U15 Festival 2025”. Handray anjara amin’izany i Madagasikara. Araka izany, hisy ny fampivondronana ireo tanora malagasy, vavy sy lahy, latsaky ny 15 […]