Other News

SOMBIM-BAOVAO

Hosokafana amin’ny fomba ofisialy anio, eny amin’ny Kianjan’ny CFFA Andoharanofotsy, ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ligin’Analamanga amin’ny taranja baolina kitra. Hanamarinana izany moa dia misy ny diabe izay hatao miainga eo amin’ny Kaominina Andoharanofotsy, hatreny amin’ny Kianjan’ny CFFA Iavoloha. Hisy ihany koa lalao ara-pirahalahiana, izay hifanandrinan’ireo mpitantana ny klioba amin’ny […]

Rallye: Ho avy eto an-tanindrazana Razanakoto Iaro

Ho tonga eto an-tanindrazana, rahampitso, Razana­koto Iaro, Malagasy mpanamory fiarakodia amin’ny fifaninanana “Grand Turismo”, anatin’ny faritra Asia-Atsimo Atsi­nanana. Hafana ny fandraisana azy, raha ny vaovao voaray. Hisy ny fitsenana an’ity Ma­lagasy ity eny Ivato, ary ao anatin’izany ny fizarana ny satroka ho an’ireo mpankafy manokana tonga eny an-toerana. Raha tsy […]

Rugby – USA Vs FTM : Hidona ny samy kartie

Hiditra amin’ny herinandro fahefatra ny fifaninanam-pirenena, taranja rugby, « XXL Top 12 », rahampitso alahady. Eny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka hatrany no hanatontosana ireo lalao voalahatra amin’izany. Anisan’ny fihaonana, hiendrika famaranana ny donan’ny samy kartie, hifanandrinan’ny FTM Manjakaray (Dakar) sy ny USA Ankadifotsy (Tapany maitso). Hangotraka ny lalao satria ekipa ao anatin’ny […]

Basikety-Africa Cup 3×3: Fandresena roa azon’ny Ankoay, sokajy vehivavy

Nanomboka, omaly, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fiadiana ny amboaran’i Afrika, taranja Basikety 3×3. Tsara fanombohana ny ekipa malagasy vehivavy. Ny Ankoay vehivavy no niakatra an-kianja, oma­ly, ho an’ny solontena malagasy, ao anatin’ny “Africa Cup 3×3”, izay nosokafana tamin’ny fomba ofisialy omaly, teny Mahamasina. Na­n­dritra ny lalao voalohany nifandrinan’izy […]

TSELATRA

Naiditra vonjimaika am-ponja eny Antanimora ny lehilahy, 42 taona, mpamilin’ny fiara kely peugeot 405. Izay nandona ankizy mpianatra tetsy Soavimasoandro, lalana eny Tsarasoatra, ny 1 desambra hariva lasa teo. Niampita teo amin’ny lalan’ny mpandeha an-tongotra ireo ankizy ireo no nofoah’io mpamily io. Ny 3 febroary 2026 hoavy izao, ny fotoam-pitsarana […]