Namoy ny ainy ny olona telo tamin’ireo voafaokan’ny taksiborosy teny amin’ny RN6, tao amin’ny fokontany Ankiabe, kaominina Beramanja, distrikan’Ambilobe, ny talata 14 jolay teo. Nijanona tamin’ny sisin-dalana ny fiara iray rehefa nisy olana ka niroso tamin’ny fanamboarana azy ny mpamily sy ireo mpanampy azy. Nivoaka ny fiara ireo mpandeha ka […]
Other News
Nilaza mahafaka BEPC : Vehivavy iray nalefa any Antanimora
Natolotra ny fampanoavana, afakomaly, ilay vehivavy 31 taona, nisandoka sy nilaza ho mahafaka fanadinana BEPC tetsy amin’ny CEG Anosibe. Naiditra vonjimaika eny amin’ny fonjan’Antanimora ny tenany, taorian’izay. Naharenesana fitarainana mahakasika ny filazana sy fisandohana fa mahafaka fanadinana BEPC ny tenany. Tonga teny anivon’ny biraon’ ny Kaomisaria boriborintany fahefatra etsy Mahamasina, […]
Ambatolampy Tsimahafotsy : Mpivarotra voaroba 2 000 000 Ar
Notafihin’ny jiolahy mirongo fitaovam-piadiana ny tsenam-barotra iray tetsy Ambatolampy Tsimahafotsy, afakomaly alina. Noratran’ireo jiolahy, nandritra izany, ny renim-pianakaviana. Voaroba ny vola 2 tapitrisa Ariary. Nirefodrefotra ny basy tao amin’ny fokontany Avarajozoro, kaominina Ambatolampy Tsimahafotsy, distrikan’Ambohidratrimo, ny alin’ny talata hifoha omaly alarobia 15 jolay. Mpivarotra iray lasibatry ny jiolahy. Naratra mafy […]






