Other News

Barean’i Madagasikara : Nanainga omaly ireo mpilalao avy eto an-toerana

Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF), nanainga omaly talata ireo mpilalao mandrafitra ny Barean’i Madagasikara avy eto an-toerana. Efatra mirahalahy izy ireo, ahitana an’i Rado sy i Mamisoa ary i Toldo, miampy an’i Nicolas. Ankoatra azy ireo, ny mpanazatra mpanampy, i Hildecoeur. Hihazo avy hatrany an’i […]

Kung-Fu Wisa : Ligim-paritra 13 tonga nanatrika ny atrikasa nasionaly

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny foibeny, eny 67ha, ny atrikasa nasionaly ho an’ny kung-fu Wisa. Ligim-paritra 13 no tonga nanatrika izany. Fahombiazana no azo nandritra ny atrikasa na­sionaly notanterahina teto Antananarivo, ho an’ny taranja kung-fu Wisa. Filo­ha­na ligim-paritra 13 no tonga nanatrika izany, nahitana ny avy any Atsinanana, […]

TARATRY ny KANTO

Misy ny fiantsoana ho fanisana ireo matihanina eo amin’ny indostrian’ny zavakanto sy ny famoronana, hataon’ny Organisaton internationale de la francophonie, na ny OIF. Voakasika amin’izany ny Malagasy mpisehatra amin’izy ity, amin’ny maha mpikambana an’i Madagasikara ao. Hanampy amin’ny fampiroboroboana ny zavakanto sy ny kontsaina ireo matihanina ireo, ka hiara-hiasa amin’ny […]

Fampirantiana : Hanokatra ny mason’ny tsirairay ny « Jery »

Maherisoa Rakotomalala sy Tahina Rakotoarivony. Andrarezin’ny hosodoko sy ny hairahan’ny ankehitriny no hampiranty ny sanganasany, ao amin’ny Is’Art Galerie Ma­hatazana, ny 19 ka hatramin’ny 10 desambra izao. Loha­eny sady lohahevitry ny fampirantiana rahateo ny «Jery». Hanokatra ny mason’ny tsirairay bebe kokoa ireto mpanan-talenta roa ireto ka hijery ny any ambadiky […]

Fiarahamonina : Mila ampiasaina ny « fomba gasy »

Raha mijanona eo amin’ny fampahafantarana sy fampitiavana fotsiny… Tsy ampy ! Mila ampiasaina sy iainana ny fomba malagasy (na ny fomba gasy ». Tafarina ao anatin’ny fotoana fohy ireo lesoka mahazo vahana any anivon’ny fiarahamonina raha vitan’ny Malagasy izany. Rehefa mety ho mpitondra na mpitarika isan’ambaratonga, ohatra, mila miozona na manozon-tena. Raha […]