Other News

Bisikileta- Ligin’Analamanga : Nosongonan’i Eric ny laharan’i Houlder

Notontosaina ny faran’ny herinandro teo ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ligin’Ana­lamanga, taranja bisikileta. Nandrombaka ny medaly vo­lamena, tamin’izany, i Eric, mpilalaon’ny Lalamby. No­son­gonan’ity mpanamory bisikileta, ekipan’ny Lalamby ity, izany, i Mohamed Houlder, CosPN, izay nandrombaka ny medaly volafotsy tamin’izany. Tsiahivina fa efa indroa nandrombaka medaly volamena izay i Mohamed, hatra­min’izay […]

SOMBIM-BAOVAO

Hatramin’ny nanoratanay omaly, tsy mbola tazana tao amin’ny pejin’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF), ny resaka mahakasika ny tohin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, diviziona faharoa na­sionaly. Marihina fa tsy maintsy miandry an’io fifaninanana io, vao fantatra ireo ekipa roa tafakatra ao amin’ny diviziona voalohany, « Pureplay Football League (PFL) ». Hotanterahina […]

Barean’i Madagasikara : Nanainga omaly ireo mpilalao avy eto an-toerana

Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF), nanainga omaly talata ireo mpilalao mandrafitra ny Barean’i Madagasikara avy eto an-toerana. Efatra mirahalahy izy ireo, ahitana an’i Rado sy i Mamisoa ary i Toldo, miampy an’i Nicolas. Ankoatra azy ireo, ny mpanazatra mpanampy, i Hildecoeur. Hihazo avy hatrany an’i […]

Kung-Fu Wisa : Ligim-paritra 13 tonga nanatrika ny atrikasa nasionaly

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny foibeny, eny 67ha, ny atrikasa nasionaly ho an’ny kung-fu Wisa. Ligim-paritra 13 no tonga nanatrika izany. Fahombiazana no azo nandritra ny atrikasa na­sionaly notanterahina teto Antananarivo, ho an’ny taranja kung-fu Wisa. Filo­ha­na ligim-paritra 13 no tonga nanatrika izany, nahitana ny avy any Atsinanana, […]

TARATRY ny KANTO

Misy ny fiantsoana ho fanisana ireo matihanina eo amin’ny indostrian’ny zavakanto sy ny famoronana, hataon’ny Organisaton internationale de la francophonie, na ny OIF. Voakasika amin’izany ny Malagasy mpisehatra amin’izy ity, amin’ny maha mpikambana an’i Madagasikara ao. Hanampy amin’ny fampiroboroboana ny zavakanto sy ny kontsaina ireo matihanina ireo, ka hiara-hiasa amin’ny […]