Other News

Fampirantiana : Hanokatra ny mason’ny tsirairay ny « Jery »

Maherisoa Rakotomalala sy Tahina Rakotoarivony. Andrarezin’ny hosodoko sy ny hairahan’ny ankehitriny no hampiranty ny sanganasany, ao amin’ny Is’Art Galerie Ma­hatazana, ny 19 ka hatramin’ny 10 desambra izao. Loha­eny sady lohahevitry ny fampirantiana rahateo ny «Jery». Hanokatra ny mason’ny tsirairay bebe kokoa ireto mpanan-talenta roa ireto ka hijery ny any ambadiky […]

Fiarahamonina : Mila ampiasaina ny « fomba gasy »

Raha mijanona eo amin’ny fampahafantarana sy fampitiavana fotsiny… Tsy ampy ! Mila ampiasaina sy iainana ny fomba malagasy (na ny fomba gasy ». Tafarina ao anatin’ny fotoana fohy ireo lesoka mahazo vahana any anivon’ny fiarahamonina raha vitan’ny Malagasy izany. Rehefa mety ho mpitondra na mpitarika isan’ambaratonga, ohatra, mila miozona na manozon-tena. Raha […]

Horonantsary fanadihadiana: Antenaina ireo mpanatontosa amin’ny “FIFOI 2026”

Mahazo vahana kokoa noho ny sarimihetsika ny horonantsary fanadihadiana eto Madagasikara. Efa hasaina sahady ireo Malagasy mpanatontosa handefa ny sanganasany hifaninana. Nisy fandraisana anjara mavitriky ny mpanatontosa sarimihetsika mala­gasy hatrany ny “Festival du film de l’Océan Indien”, na ny “FI­FOI”. Efa manao antso avo amin’ ireo mpanatontosa ma­nana te­tikasa na […]

FANTINA sy FINTINA

Nampita hafatra amin’ireo « Diaspora » any Frantsa ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël, tamin’ny alalan’ny ampitain-davitra, omaly. Nambarany fa namantana firenena efa potika ny tenany ka tsy ho mora ny hanarina azy. « Tsy ho vita rahampitso sy afakampitso fa mila fotoana. Efa miasa sy mitady vola izahay izao », hoy izy. Naneho […]

Praiminisitra Rajaonarivelo Herintsalama : “Mamarana ny Politika ankapoben’ ny fanjakana aho izao”

“Izaho mbola mamarana ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE) ho amin’ny fa­norenana ifotony izao. Araka ny lalàmpanorenana izay. Vo­alazan’ny lalàna koa ny fanaovana fanambaram-pananana”. Io ny fanazavan’ny Prai­mini­sitra Rajaonarivelo Herintsa­lama, tamin’ny mpanao gazety, taorian’ny nametrahan’ny governemanta fa­nambaram-pananana teny amin’ny Fitsa­rana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC), Ambohi­dahy, omaly. Nape­traka ny lalàna mifehy […]