Haharitra 90 andro ny fanadihadiana momba ny kaontim-bola ao amin’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny tetibola. Tanjona ny hijerena manontolo ny tsy fahatomombanana sy ny lesoka amin’ny fitantanana ny volam-panjakana. Hanatanteraka ny fanadihadiana ny Fitsarana momba ny kaonty sy ny Fitsirihana ankapoben’ny fanjakana (IGE), izay hatao ao anatin’ny mangarahara. Tsy nahitana […]
Other News
Fampandrosoana ny toekarena : Hifanome tanana ny fanjakana sy ny tsy miankina
Fifanakalozana. Niompana tamin’ny fanorenana ny toekarena ny dinika andiany fahavalo ho an’ny fifanakalozan-kevitry ny rafi-panjakana sy ny sehatra tsy miankina (8ème table ronde économique) niarahana tamin’ny Vondrona eoropeanina (UE), omaly, tetsy Ambodivona. Hirafimbona ny roa tonta hanatsara ny rafi-pamokarana eto amintsika izay mbola ambany; satria ampahadimin’ny salanisa ankapobeny eto amin’ny […]
Fitrandrahana drakaka : Misokatra ho an’ny Malagasy mpandraharaha
Kitro ifaharan’ny fampandrosoana ny firenena ny toekarena manga. Ankehitriny, misokatra tanteraka ho an’ny Malagasy mpandraharaha ny fitrandrahana drakaka. Na izany, mila manaja ny fitsipika hifampifehezana ny rehetra hiadiana amin’ny kolikoly sy hisorohana ny fanararaotana. Tokony ho matihanina tanteraka ireo mpisehatra hitsinjovana ny tombontsoam-pirenena sy hanatsarana ny vidim-bokatra. «Tokony hanaja ny […]
Fitokonan’ny mpiasan’ny Jirama: Ho tapaka tanteraka ny jiro sy rano eto an-dRenivohitra
Milaza ny hanapaka tanteraka ny jiro sy rano eto an-dRenivohitra ny mpiasan’ny Jirama, mpanao fitokonana, anio. Manamafy kosa ny minisitra, Ralitera Ny Ando Jurice, fa efa an-dalana ny famahana ny olana sy ny fijerena manokana ny fitakiana. Tsy misy farany! Mitohy hatrany ny fitokonan’ny mpiasan’ny Jirama mivondrona anatin’ny sendika. Nilaza […]
Tsipy kanetibe – Afrique 2025 : Ho any Mauritanie ny ekipan’ny Pac
Tontosa ny alahady lasa teo, teny amin’ny Kianja Maibahoaka Ivato, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja tsipy kanetibe olon-telo miaraka. Nandrombaka ny anaram-boninahitra ny ekipan’ny Pac Ampitatafika, nahitana an’i Balôty sy i Salohy ary i Mamy Ronaldinho, rehefa nandresy ny APM Boeny, nisy an’i Jean-Marc sy i Sitraka ary i […]







