Other News

SMGD- Naina Andriantsitohaina: « Tsy misy idiran’ny vadiny », hoy ny Me Andrianarivoson Nicole

Mbola tazomin’ny Bianco, eny Ambohibao, ny vadin’ny minisitra teo aloha, Andriantsitohaina Naina. « Tsy misy idirany ny raharahan’ny SMDG sy ny kaominina. Mampieritreritra ny fitazomana azy », hoy ny mpisolovava, Me Andrianarivoson Nicole. Nitafa tamin’ny mpanao gazety, teny Antani­me­na, omaly, ny Mpisolo­vava ny minisitra teo aloha, Andriantsitohaina Naina. No­tsiahiviny ny tranga […]

Filoha Randrianirina Michael sy ny Sadc: « Hiezaka amin’ny dingan’ny fanavaozana izahay »

Notanterahina ny faran’ny herinandro teo ny fivoriana tsy ara-potoana nampitain-davitra eo amin’ireo filoham-panjakana sy governemanta eo anivon’ny Sadc. Anisan’ny nandray anjara tamin’izany, sady sambany, ny filoha ny Kly Randrianirina Michael. Notsiahiviny tamin’izany ny fanapahan-kevitr’i Madaga­sikara amin’ny fialana tsy ho mpitantana ny Sadc. « Ezaka ataonay izao ny fifantohana ny fanatanterahana ny […]

Raharaha Cnaps sy SMGD: Nosavaina ny tranon’ Andriantsitohaina Naina

Nosavaina omaly ny tranon’ny minisitra teo aloha, Andriantsitohaina Naina, etsy Andranobevava. Nanatanteraka izany ireo mpitandro filaminana nanao fanamiana sivily. Voalazan’ny loharanom-baovao iray fa anisan’ny anton’izany ny «Raha­ra­ha Cnaps sy ny SMGD», orinasa eo anivon’ny kaominina Antanana­rivo Renivohitra. Tsy hita teny an-toerana, ta­min’ny fisavana anefa, ny mi­nisitra teo aloha, Andriantsitohaina Naina, […]

Baolina kitra : Mila maneho ohatra tsara ireo kalaza

Nanao antso avo amin’ireo mpilalao kalaza teo aloha, miandrandra fandrosoana amin’ny baolina kitra, ny lehiben’ny klioba Ajesaia, Ravelonarivo Jasmina. “Atombohy aminareo aloha ny fampandrosoana ny baolina kitra. Jereo ny tany niaviana, jereo ny klioba namolavola anareo. Hatramin’izao aloha, tsy mbola misy hetsika fanampiana ho an’ny klioba niaviana,” hoy izy. Nilaza […]

« Ankizy milalao»: Nahavory kilonga miisa arivo mahery

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, tetsy amin’ny Kianja Betongolo, ny fifaninanana baolina kitra ho an’ny kilonga, “Ankizy milalao”. Azo lazaina fa nahomby tanteraka ny hetsika izay nokarakarain’ ny Analakely Football Acade­my (AFA) tamin’ity, satria na­hatratra 1 200 isa teo ireo ankizy mpilalao baolina kitra tonga teny an-toerana. Nisy ny natao […]