Andry iankinan’ny fampandrosoana ny firenena ny fampandehanana ny toekarena. Antony mahatonga ny rafi-panjakana manamafy ny fifandraisana amin’ny sehatra tsy miankina. Zava-dehibe ny fifanohanan’ny roa tonta ho an’ ny tombontsoan’ny firenena sy hanatrarana ny tanjona iraisana. « Mifarimbona avokoa ny rehetra raha tiana hatanjaka ny fototry ny fanavaozana ara-toekarena », hoy ny minisitry […]
Other News
TARATRY ny KANTO
Hitohy hatramin’ny 7 desambra izao ilay fampirantiana « Abafabazi », ao amin’ny Cité des Cultures Antaninarenina. Fampirantiana mitety firenena izy ity, izay hanehoana ny sanganasan’ireo afrikanina mpanakanto maromaro, maneho ny vehivavy sy ny tontolony. Mifototra amin’ny fifanakalozana ara-javakanto, mivoy izay fahasamihafana ara-kolontsaina sy fiarahamonina kanefa misy ifandraisana maneran-tany izay, ny fampirantiana. Ny […]
Fiverenana ifotony: Tsy maika ny fandikan-teny
Tany amin’ny Repoblika faharoa no nanezaka mafy tamina « fanagasiana », ny sehatra samy hafa teto Madagasikara. Tsy nahomby izany, satria, nihazakazaka tany amin’ny fandikan-teny. Noheverina fa tsy ampy voambolana ny teny malagasy ka nampiana. Amin’izao vanim-potoana izao, mbola misy ny mpikaroka mbola manantitra hatrany fa ilain’ny Malagasy ny fandikana amin’ny teny […]
Edenia Chocolaterie: Namolavola matihanina amin’ny sokolà, maherin’ny 400
Sehatra iray mbola malalaka ao amin’ny hainahandro ny fitrandrahana ny sokolà. Nandritra ny 5 taona nisiany, namoaka matihanina maro ny Edenia Chocolaterie, ary mahatoky ny hoavin’ity sehatra ity. Fihaonambe ny sabotsy teo, tao amin’ny Edenia Chocolaterie. Tazana tao ireo olo-malaza sy olo-manan-kaja, vory noho ny antony roa : ny sokolà sy […]
TSELATRA
Moto iray voafaokan’ny fiara tsy mataho-dalana iray teny amin’ny lalana By-pass, ny alahady 11 novambra lasa teo. Nisongona tany amin’ny ilany havian’ilay fiara ilay mpitondra moto. Efa nandefa fampahafantarana hivily any amin’ny ankavanan-dalana anefa ilay fiara. Renim-pianakaviana iray teraka an-dalana tao Verrerie, kaominina Toamasina, ny alin’ny alahady hifoha ny alatsinainy […]






