Hatao etsy amin’ny Barea Mahamasina,ny 6,7 ary 8 aogositra ho avy izao ny Foara IN-CO 2026 (Salon de l’industrie et du commerce), karakarain’ny Flash Event. Nambaran’ ny tomponandraikitry ny fikarakarana, Ramatoa Tiavina Ny Anjara, fa « tanjona ny hanosehana ny toekarena malagasy amin’ny alalan’ny fikarohana zava-baovao. Hahazo tombony avokoa ny orinasa […]
Other News
Tanora mpandraharaha : Sokajy hifaninanana ny « TJE Croissance+ » sy « TJE Startup »
Misokatra ny fisoratana anarana ho an’ny Trophée du jeune entrepreneur (TJE) karakarain’ny BNI Madagasikara. Mizara sokajy roa izany amin’ity andiany faha-17 ity. Ny «TJE Croissance+» sy ny «TJE Startup». Sokajy voalohany ny “TJE Croissance”, natao ho an’ny orinsasa efa mitsangana nandritra ny iray taona farafahakeliny ary tantanana mpandraharaha latsaky ny […]
FANTINA sy FINTINA
Natsahatra tamin’ny andraikitra maha mpiahy ara-drariny na mediatiora azy ny Pr Andrianaivontseheno Ravaka. Nisaotra sy nankasitraka ny vahoaka malagasy manontolo tamin’ny fiaraha-mientana, ny fahatokisana ary ny fanohanana ny tenany. Nisaotra ireo mpiara-miasa sy mpiara-miombon’antoka koa tamin’ny fahatanterahan’ny asa. Ny filohan’ny HCC no voalaza fa nitory ny radio Antsiva ka nampiantsoan’ny […]
Ralaivahiny Frerot : « Tsy milisin’ny Kly Michael ny Bandeau rouge… »
Naneho hevitra manoloana ny raharaham-pirenena ny eo anivon’ny «Bandeau rouge», amin’ny alalan’ny mpitondra teny, Ralaivahiny Frerot. Nambarany fa vovonana iray ahitana antoko politika sy fikambanana ary olon-tsotra ny «Bandeau rouge». Nitsangana tamin’ny fotoana nampamaivay ny tolona, fony andron’ny fitondrana Rajoelina. «Efa nanana endrika fanandevozana toy ny tamin’ny andron’ny mpanjanaka tamin’izany […]
Fidinana ifotony : Mitaky asa mivaingana ny Praiminisitra Rajaonarison
Anisan’ireo nidina ifotony any Toamasina, miaraka amin’ny filoham-panjakana, Randrianirina Michaël, ny Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana, omaly. Hentitra ny nambarany manoloana ireo tomponandraikitra isan-tokony. «Asa mivaingana no andrasan’ny olom-pirenena amintsika mpitondra. Tsy tatitra hampifaliana fa hanitsiana ny tsy mety no atao. Ny zava-misy tenenina fa aza misolelaka», hoy izy tamin’ny fihainoana ireo […]






