Ankizivavy miisa roa, nisy naka an-keriny, hitan’ ny Polisim-pirenena ao amin’ny kaomisaria boriborintany fahavalo Analamahitsy, teny Manjakaray, omaly tamin’ny 4 ora maraina. Niainga teny Ampasika izy roa, ny 9 jolay hariva ary nisy lehilahy sy vehivavy naka an-keriny azy ireo, raha ny vaovao voaray. Lehilahy iray tratran’ny fokonolona nangala-jaza tetsy […]
Other News
Tsaralalàna : Trano rihana roa kilan’ny afo, omaly hariva
Nitrangana haintrano indray tetsy tsaralalàna-Basta, omaly hariva tokony ho tamin’ny 6 ora sy sasany tany ho any. Trano iray, misy rihana roa sy efitra manodidina ny efatra, tany amin’ny rihana voalohany sy faharoa no kilan’ny afo tanteraka tamin’izany. Raha ny angom-baovao voaray teny an-toerana, tsy nisy olona tao amin’io trano […]
Nody alina : Raim-pianakaviana hita faty
Vatana mangatsiaka an’ilay raim-pianakaviana hany sisa hitan’ny fianakaviany tao amin’ny fokontany Marodinta, kaominina Antsirabe, omaly maraina. Nihohoka tamin’ny tany nanamorona ny fasan’ny mpino tao Ambohimahazo, io lehilahy io, tamin’ny fotoana nahitan’ny fokonolona azy. Niandry azy ny ankohonany ny harivan’ny alakamisy saingy tsy nody an-trano io raim-pianakaviana 54 taona io, araka […]
By-Pass : Vazaha niitondra moto maty tsy tra-drano
Raim-pianakaviana, teratany vahiny, namoy ny ainy tetsy By-Pass, omaly maraina. Nisosa tamin’ny arabe ny moto nentiny rehefa nikasa hisongona fiara teo alohany. Nipitika teo afovoan’ny arabe, namoy ny ainy, ny teratany vahiny iray teny Androndrakely By-Pass, omaly maraina tamin’ny 7 ora sy 38 minitra. «Avy any amin’ ny lalan’i By-Pass […]
Be-Rija Ravelomanantsoa: “Fototry ny olana ny forongony nomen-tseza”
«Fanakorontanana ny fiarahamonina sy ny fitondram-panjakana ny trangana famonoana olona misy eto amin’ny firenena», hoy i Be-Rija Ravelomanantsoa, raha nanao fanambarana tao anaty tambajotran-tserasera izy, omaly. «Aparitaka amin’ny tambajotran-tserasera izany mba hoentina maneho fa tsy mahaaro ny vahoakany ny mpitondra», hoy izy. Efa misy ny ezaka ataon’ny fanjakana, ahafahana mamaha […]






