Other News

Imerintsiatosika : Zaza 6 taona maty voafaokan’ny fiara

Nifamonjen’ny nanatri-maso ny zazalahy 6 taona voafaokan’ny fiara Starex teny amin’ny lalam-pirenena voalohany, teo Bemasoandro, kaominina Imerintsiatosika, oma­ly. Nirava avy nianatra ka nandeha tamin’ny sisin-dalana ilay zazalahy. Nirimorimo ny fiara iray niloko mavo ka nahafaoka tsinahy an’io mpianatra io. Nipitika avy hatrany ity farany. Naratra mafy noho ny dona nahazo […]

Nanolana ankizy 13 taona : Rangahy iray voasambotry ny polisy

Nosamborin’ny polisim-pirenena avy amin’ny Compagnie régionale Fip Analamanga, tany Anjozorobe, afakomaly, ny lehilahy iray 50 taona. Voarohirohy tamin’ny fanolanana ankizivavy 13 taona izy. Nofitahiny sy notambazany zavatra ilay ankizivavy. Rehefa izay, hoentiny any amin’ny toerana mangingina ary any no anamparany ny filan-dratsiny. Nitantara ny zava-nanjo azy tamin’ny ray aman-dreniny ilay […]

Hetsiky ny GEN Z : Nifarana tamin’ny tora-bato sy doro kodiarana

Nifampiraharaha nandritra ny adin’iray ora sy sasany tamin’ny mpitandro filaminana nanoloana ny farihin’Anosy, voasakana hatrany, ny fikasan’ireo Gen Z hihazo an’Ambohijatovo, omaly. Niafara tamin’ny tora-bato, fandoroana kodiarana sy hikiaka na­taon’ireo tanora mpitolona ny hetsika Gen Z teny Antanim­barinandriana sy Anosy, omaly. Nifampitaona teny an-toerana ireo mpanao fihetsiketsehana. Niatrana tsikelikely teo […]